Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Ny finoan'ny Eseniana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin'ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty", ka zato eo ho eo amin'ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an'antoko mitovitovy aminy izay nitondra ny anarana hoe ''Yahad'' ("Firaisana") ao amin'ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan'ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin'ny Yahad izany.
 
Niparitaka ny Eseniana taorian'ny fandrodanan'i Tito ny [[Tempolin'i Jerosalema]] tamin'ny taona 70 taor. J.K. Mety niisa 4 000 izy ireo tao Palestina sy Egipta ary Siria. Ny fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron'ny [[Ranomasina Maty]]. Mahaleo tena ny fikambanana tsirairay izay mivelona amin'ny fambolena sy ny asan-tanana<ref name=":0"><small>"Esséniens", ''Microsoft Encarta 2009''. 1993-2008 Microsoft Corporation</small></ref>.
 
Manandrantra avo ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hatsaram-panahy ary ny fitiava-namana ny fampianaran'ny Eseniana. Miombom-pananapananana izy ireo. Mitandrina ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]] sy ny fahadiovana ara-pivavavahana izy ireo ka mandro amin'ny rano mangatsiaka sy mitondra fitafiana fotsy. Tsy mianiana izy ireo afa-tsy alohan'ny hiditra ho mpikambana. Fadîny ny manao sorona biby sy manamboatra fitaovam-piadiana ary ny manao raharaham-barotra<ref name=":0" />.
 
== Ny anarana hoe ''Eseniana'' ==
Ny teny hoe ''Eseniana'' dia fanagasiana ny teny frantsay hoe ''Essenien'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoi.'' Amin'ny teny anglisy dia ny hoe ''Essenes'' no fanoratra. AminnyAmin'ny teny latina dia soratana hoe ''Esseni.'' I Flavio Josefa sy i Filo avy any Aleksandria ary i Plinio ZokinyZokiolona dia miresaka ny amin'ny hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoï'' na ''Eσσαίοι'' / ''Essaioï'' na ''Oσσαίοι / Ossaioï''. Amin'ny teny hebreo izy ireo dia atao hoe אִסִּיִים‬ / ''Isiyim''. Io teny io dia tsy hita na ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] na ao amin'ireo soratra tao amin'ny [[Ranomasina Maty]].
 
Araka ny hevitr'i Émile Puech dia avy amin'ny teny arameana hoe ''hasaya'' ("tia vavaka") na ''hasîn'' (raha milaza maro), izay nosoratana amin'ny teny grika hoe ''essaioi'' na ''essenoi''. I Filo avy any Aleksandria dia miantso azy ireo hoe ''Hosioi'' "masina", izay andikana ny teny hebreo hoe ''hasidîm'', sady sorata amin'ny teny grika hoe ''Hasidaioi,'' "tia vavaka", araka ny hita ao amin'ny [[Bokin'ny Makabeo]]"<ref><small>Émile Puech, "Esséniens et interprétations", dans ''Qumrân le secret des manuscrits de la mer Morte'', Paris, BNF, 2010, <abbr>p.</abbr> 136.</small></ref>.
Andalana faha-17:
 
== Ny toerana nonenan'ny Eseniana ==
Araka an'i Flavio Josefa dia tsy tamin'ny tanàna iray no nanorim-ponenana ny Eseniana fa nonina tamin'ny tanàna rehetra <ref><small>Flavius Josèphe, ''Guerre des Juifs'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/Flajose/guerre2.htm#VIII Livre 2, chap. VIII], 2-13 ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2FFlajose%2Fguerre2.htm%23VIII vakio eto]).</small></ref> <ref name=":1"><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 3</small></ref>. I Filo avy any Aleksandria kosa dia milaza fa niisa any ho any amin'ny 4 000 ny Eseniana nonina tao Siria palestiniana 2<ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Quod omnis probus liber sit'', XII, 75. Cité par Eusèbe de Césarée dans ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XII Livre 8, chap. XII] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XII tahiry]].</small></ref> sy tamin'ny tanàn-dehibe maro tao Jodea sy tamin'ny vohitra maro hafa<ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Apologie pro Judæis'' ao amin’i Eusèbe de Césarée, ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XI Boky faha-8, toko faha-11] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XI tahiry]].</small></ref>. Nikambana tamin'ny fikambanana maro miray hina tanteraka sy tsy mifandray amin'ny any ivelany ny Eseniana tao amin'ny tanan-dehibe jiosy tao Palestina<ref name=":1" />. Tao amin'ny morontsiraka andrefan'ny Ranomasina Maty somary lavitra ny sisin-dranomasina, tao amin'ny tanànan'i Engaddi, ny Eseniana resahin'i Plinio Zokiolona <ref><small>Pline l'Ancien, ''Histoire naturelle'', [http://remacle.org/bloodwolf/erudits/plineancien/livre5.htm Livre 5] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Ferudits%2Fplineancien%2Flivre5.htm tahiry]], <abbr>XV</abbr>.</small></ref> <ref><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 15.</small></ref>.
 
Miresaka ny amin'ny "vavahadin'ny Eseniana" i Flavio Josefa raha nilazalaza ny amin'ny faritra alehan'ny rindri-mandan'i Jerosalema tranainy indrindra<ref><small>Flavius Josèphe (v. 75). ''Guerre des Juifs'', 5, 145.</small></ref> izay lazainy fa teo amin'ny tendrombohitra Ziona (na Siôna), izay nenti-nanondroana ny havoan'i Ophel izay hita ao atsimon'ny tendrombohitry ny Tempoly tamin'izany fotoana izany<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''[https://books.google.fr/books?id=iPiR0YOnWFkC&lpg=PA459&dq=%22Journal%20of%20Sacred%20Literature%22%20Wright&hl=fr&pg=PA534#v=snippet&q=Sion&f=false Dormition et Assomption de Marie : histoire des traditions anciennes]'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.fr%2Fbooks%3Fid%3DiPiR0YOnWFkC%26lpg%3DPA459%26dq%3D%2522Journal%2520of%2520Sacred%2520Literature%2522%2520Wright%26hl%3Dfr%26pg%3DPA534%23v%3Dsnippet%26q%3DSion%26f%3Dfalse tahiry]], <abbr>p.</abbr> 534.</small></ref>. Mety nisy fikambanana eseniana angamba teo amin'io vakin-tanàna io.