Teôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''teolojia'' dia avy amin'ny teny grika hoe θεολογία / theologia, izay azo amin'ny fanakambanana ny teny hoe Θεός / ''theos'' (midika hoe "andriamanitra") sy ny hoe -λογία / ''logia'' (midika hoe "fitenenana" na "firesahana") nisampana avy amin'ny teny hoe λόγος / ''logos'' ("teny"). Ny mpampiatatra na ny izay nianatra teolojia noatao hoe ''teolojiana''.
 
== Ny ''theologia'' teo amin'ireo filozofa grika ==
Ny teny grika hoe θεολογία / theologia dia nampiasain'i [[Plato]] amin'ny dikany ara-bakiteny hoe "resaka momba ny andriamanitra" na "resaka momba an'Andriamanitra" tamin'ny taonjato faha-4 tal. J.K. tao amin'ny asa soratra nataony, ao amin'ny Boky faha-2 toko faha-18<ref><small>Liddell and Scott's ''[http://www.perseus.tufts.edu/cgi-bin/ptext?doc=Perseus%3Atext%3A1999.04.0057;query=entry%3D%2348216;layout=;loc=qeolo%2Fgia1 Greek-English Lexicon]''</small></ref>, mitondra ny lohateny hoe ''Πολιτεία'' / ''politeía'' na ''Πολιτεία'' / ''politeía'' ("fitondram-pirenena")<ref><small>Io boky io no nadika amin'ny teny latina hoe ''Res Publica'' ("zava-bahoaka") sady fantatra koa amin'ny teny frantsy hoe ''La République'' na amin'ny teny anglisy hoe ''The Republic.''</small></ref>. Ao amin'io toko io i Ptlato dia nizara ny filozofia ho taranja telo izay nomeny ny anarana hoe μαθηματικὴ / ''mathêmatikê'' sy φυσική / ''phusikê'' ary θεολογκιή / ''theologike'', ka ity farany ity no mitovitovy amin'ny [[metafizika]] izay iresahana momba ny fomban'Andriamanitra na ny andriamanitra<ref><small>Aristotle, [http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html ''Metaphysics'', Book Epsilon]. ([https://web.archive.org/web/20080216173401/http://etext.library.adelaide.edu.au/mirror/classics.mit.edu/Aristotle/metaphysics.6.vi.html Tahiry]).</small></ref>.
 
Raha nanoratra araka ny loharano avy amin'ireo filozofa Stoika i Marcus Terentius Varro (mpanoratra latina), dia nanavaka karazana lahateny telo, dia ny lahateny momba ny anganon'ireo andriamanitry ny Grika, ny lahateny voasaina ara-pilozofia andinihana ireo andriamanitra sy ny amin'izao rehetra izao, ary lahateny momba ny fanaon'ny olombelona eo amin'ny fiarahamonina toy ny fombafomba sy ny adidy ary ny fitandremana ny zavatra andidian'ny fivavahana<ref><small>Araka ny tsiahy ataon'i Aogostino ao amin'ny sorany mitondra ny lohateny hoe ''Tanàn'Andriamanitra'', Boky hafa-6, toko faha-5.</small></ref>.
Andalana faha-25:
 
==== Teolojia kristiana ====
Ny teolojia kristiana dia andinihana ny Andriamanitry ny Kristiana sy ny fifandraisany amin'ny olombelona eo amin'ny tantaran'ny famonjena, ka ny fara tampony dia ny asa sy ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy amin'ny maha Tenin' Andriamanitra azy (grika: ''Logos Theou''). Ara-tantara sy araka ireo teolojiana tranainy dia taranja mifanahantsahana amin'ny [[siansa]] ny teolojia satria natao handalinana ny finoana sy hamaliana ny ireo fanontaniana filozofika.
 
Mifantoka amin'ny zava-boalazan'ny [[Testamenta Taloha]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] izy nefa koa afaka manampy izany ny lovantsofina, indrindra ao amin'ny teolojia katolika. Mampiasa ny fanaovana hevi-tenin'ny [[Baiboly]] sy fitsikerana voasaina ary fanjohian-kevitra hentitra ny teolojiana kristiana. Isan'ny tanjoana koa ny hiarovana ny finoana kristiana manoloana ireo fanoherana sy tsikera manaratsy, mba hanamora ny fanarenana eo amin'ny Fiangonana, mba hanampiana ny fampielezana ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]], mba hitrandrahana ireo lovantsofina kristiana.
Andalana faha-36:
Amin'ireo Sonita dia fito ny fototry ny finoana, dia ny finoana an'i Allah, ny anjely, ny Soratra nambaran'Andriamanitra, dia ny Kor'any, ny mpaminany, ny andro farany, ny fanedrena mialoha. Ho an'ireo Shiita kosa dia dimy fitsiny izany, dia ny maha tokana an'Andriamantra, ny fahamarinana, ny faminaniana, ny asan'ny imam ary ny momba ny andro farany ([[eskatolojia]]).
 
Ny Motazilita kosa dia manantitrantitra mobamomba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra fa manana sitrapo malalaka ambonin'ny fanendrena[[fanendren'Andriamanitra mialoha]] ny olombelona, ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia amnbony noho ny maha tsy toha azy. Mino koa ny Motazilita fa afaka anakarana ny zavatra tian'ny [[Kor'any]] holazaina marina ny fampiasana ny lojika. Izany no fototry fototr'ilay atao hoe اِجْتِ / ''Ijtihâd'' ("ezaka fandinihana").
 
== Jereo koa: ==