Fariseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tontolo jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fariseo]] ireo [[Jiosy]] amin'ny antoko iray tao [[Jodea]] nandritra ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, izany hoe tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe farisaisma na farizianisma ny firehan-kevitra ara-pivavahan'izy ireo. Maro ireo fampianaran'ny Fariseo izay tafakambana ao amin'ny lovatsofin'ny Raby. Miavaka ny fampianaran'ny Fariseo noho izy mifototra amin'ny [[Torah am-bava]] mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin'ny Fariseo dia ny boky nosoratan'i Flavio Josefa sy ny [[Testamenta Vaovao]] ary ny soratr'ireo Raby.
 
== Ny anarany ==
Ao amin'ny soratr'i Flavio Josefa no nahitana voalohany ny firesahana ny amin'ny Fariseo (1) raha tantarainy ny nisarahan'i Joany Hirkana tamin'io antoko io ka nikambana tamin'ny Sadoseo (2). Tamin'io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny amin'ny Fariseo ao amin'ny Filazantsara.
 
Ny teny hoe Fariseo dia avy amin'ny teny grika hoe Φαρισαῖος / ''Pharisaios'' izay avy amin'ny teny arameana hoe פְּרִישָׁא / ''P<sup>e</sup>rîshâ'' (פְּרִישַׁיָּא / ''P<sup>e</sup>rîshayyâ'' raha amin'ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin'ny teny hebreo hoe פָּרוּשׁ / ''pârûsh'' (פְּרוּשִׁים / ''p<sup>e</sup>rûshîm'' raha amin'ny endrika milaza maro). Avy amin'ny matoanteny hebreo hoe פָּרַשׁ / ''pârash'' izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
 
== Ny tantarany ==
 
==== Ny fiaviany ====
Araka ny lovantsofina rabilika dia taranak'ireo Olonkendry tao amin'ny Sinagoga Lehibe (כְּנֶסֶת הַגְּדוֹלָה / ''Knesset HaGuedolah'') ny Fariseo. Efa hatramin'i Simona ilay marina (angamba ny mpisoronabe Simona II) sy i Antigona avy ao Sokho ny fireham-pisainan'ny Fariseo.
 
Tsy mazava anefa ny tena fiaviany sahala amin'ny an'ny Sadoseo koa. (7). Nisandratra amin'ny maha antoko azy ny Fariseo taorian'ny fikomian'ny makabeo sy ny fiakaran'ny taranaka hasmoneana teo amin'ny fitondrana tao Jodea. Ny petra-kevitra sasany dia milaza fa taranaky ny atao amin'ny teny hebreo hoe Hasidim (Tia vavaka) izay nanda tsy nanaraka ny fomba amam-panao grika teo ambany fanjakan'i Antiokosy Epifansesyy IV ny Fariseo (8).
 
Niantehitra tamin'ny olona ao amin'ny saranga anelanelany, izay nanana fari-piainana ampy noho ny fandrosoana ara-toekarena, ny Fariseo. Nanampy azy ireo tamin'ny fanaparitahana ny fandalinana ny lalàna tany ivelan'ny toerana mahazatra mifandray amin'ny Tempolin'i Jerosalema izany toe-javatra izany. Izany fandrosoan'ny toekerena izany dia niteraka ny filana ireo mpanoradalana manam-pahaizana momba ny lalàna, nefa tsy vaotery ho mpanoradalàna miankina amin'ny Tempoly izany (13).
 
==== Tsy fifanarahany tamin'ireo antoko hafa ====
Araka an'i Flavio Josefa dia tamin'ny lafin'ny foto-pinoana no tsy nifanarahan'ny Fariseo tamin'ny Sadoseo sy ny Eseniana sy tamin'ny lafiny fampiharana ny tokony ho fitondran-tena eo amin'ny fiainana andavanandro, izany hoe momba ny halakha (14). Nisafidy ny hampifanaraka ny fototry ny halakha amin'ny zava-misy ny Fariseo nanoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan'ny toetrandro (15). Nekeny ny fivoarana miandalan'ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava (Torah am-bava izay atao jhoe koa lovantsofin'ny razana) no iankinany amin'izany. mampiavaka ny fisainan'ny Fariseo io atao hoe Torah am-bava io izay nivoatra hatramin'ny vanimpotoana persiana.
 
Nifanohitra ny Eseniana (antokon'ny Ranomasina maty) sy ny Fariseo araka ny soratanam-piraketana iray tao amin'ny Ranomasina maty (9), ka ireto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin'ny fombam-pivavahana, ny ny firavoravoana, ny fitantanana ny Tempoly ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan'izy ireo ny Lalàna. Eken'ny Friseo ny ampifanarahana ny Lalàna amin'ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin'ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon'ny fahalotoana ara-pivavahana.
 
==== Fiantraikan'ny fisainan'ny Fariseo ====
Ilay fampifanarahana amin'ny zava-misy nataon'ny Fariseo dia nahatonga azy ireo hanaiky ny fiakaran'ilay Hasmoneana atao hoe Simona eo amin'ny asan'ny mpisorona, na dia tsy taranaky ny Zadoka na Sadoka (Sadokida) aza izy. Tamin'ny fanapahan'ny Hasmoneana dia nifaninana tamin'ny Sadoseo sy ny antoko hafa ny Fariseo teo amin'ny fitarihana ara-panahy an'i Jodea sy ny vahoaka jiosy. Nankasitrahin'ny maro anisa (7) izay nahitana tantsaha sy tandrenivohitra tia vavaka ny antokon'ny Fariseo. Ny Sadoseo kosa dia niaro ny tombontsoan'ny saranganan'ny mpisorona izay nifamatotra hatrizay tamin'ny fahefana ara-politika. Tamin'ny andron'i Joany Hirkana dia nandaitra teo amin'ny vahoaka ny hevitry ny Fariseo sady nanakaiky kokoa ny mpitondra izy ireo. Tsy nankasitraka ny fitiavan'i Hirkana manita-panjakana sy ny faty olona ary ny herana lany aterak'izany anefa izy ireo. Tsy nankasitrahan'ny sasany tamin'izy ireo koa ny fivangongoan'ny fahefana ara-politika sy ara-pivavahana amin'ny olona anankiray (16). Noho izany dia nihavery ny toeran'izy ireo tao amin'ny lapan'ny Hasmoneana. Neken'izy ireo ny niakaran'i Heroda I Lehibe teo amin'ny fitondrana na dia taranaka idomeana (edomita) aza izy, satria afaka niantoka ny fandriam-pahalemana sy ny fahaleovan-tenan'ny fivavahana i Heroda (17). Ho setrin'izany dia nankasitrahan'ny vahoaka i Heroda noho ny namelany malalaka ny Fariseo.
 
Lazain'i Flavio Josefa ho mpikatsaka fahefana politika ny Fariseo. Tamin'ny fanapahan'ny mpanjakavavy Salome Aleksandra dia nanara-maso ny fahefana politika izy ireo sady nifehy ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. Tsy misy anefa porofo ahafaha-milaza fa izy ireo no antoko natanjaka indrindra nandritra ny vanimpotoana hasmoneana sy romana (18).
 
== Jereo koa: ==
Ligne 5 ⟶ 29 :
* [[Sadoseo]]
* [[Eseniana]]
* [[Ebionita]]
* [[Raby]]
* [[Mpanoradalàna]]