Sadoseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-31:
Ny antokon'ny Sadoseo dia antokon'olona avy amin'ny saranga ambony, izay tsy manaiky afa-tsy ny Torah, ka mandà ny fivoasana sy ny fanitarana ny lalàna ataon'ireo mpanoradalàna. Mitsipaka ny fivoasan'ny Fariseo ny Torah, indrindra ny Talmoda naterak'izany, ny Sadoseo. Izao no amintinan'i Flavio Josefa an'izany: "Ny Fariseo dia nampita tamin'ny vahoaka fitsipika sasantsasany izay azony avy tamin'ireo razambeny, izay tsy voasoratra tao amin'ny lalàn'i Mosesy, izay nolavin'ny Sadoseo noho izany izay nihevitra fa ny fitsipika voasoratra ao ihany no tokony horaisina ho manankery, ary tsy voatery hotandremana ireo fitsipika azo avy amin'ny lovantsofin'ny razana.<ref><small>Nadika avy amin'ny teny frantsay: ''Antiquités judaïques'', XIII-297.</small></ref> Tsy midika izany fa mpandray ara-bakiteny izay voasoratra ny Sadoseo. Nanao fivoasana am-bava ny Sadoseo nefa nitsipaka ny lovantsofina ivelan'ny Torah, indrindra ny fivoasana ataon'ireo antoko hafa<ref><small>E. P. Sanders, ''Judaism. Practice and Belief.'', Trinity Press International, 1996.</small></ref>.
 
==== Ny any ambadinambadik'izao fiainana hita maso izao ====
Miavaka amin'ny [[Fariseo]] ny Sadoseo noho izy ireo tsy mino ny [[fitsanganan'ny tena amin'ny maty]] (na ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]]). Ny Sadoseo dia tsy mino ny tsy feteza-matin'ny fanahin'olombelona sady mandà ny fisian'ny anjely.