Fitsanganan-ko velona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:RaisingofLazarusBloch.jpg|vignette|283x283px|''Fananganana an'i Lazarosy amin'ny maty'', nataon'i Boloch.]]
Ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]] na [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganana amin'ny maty]] dia ny fiverenan'ny efa maty ho amin'ny fiainana indray. Isan'ireo finoana lehiben'ny Kristiana ny fitsangana-ko velona. Ny fitsanganan'ny maty ho velona dia midika fa haharitra any amin'ny tontolo hafa ny fiainana ka mifandray amin'ny [[fitsarana farany]] hataon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra izany. Ny olona nanao ny tsara araka ny didin'Andriamanitra fahavelony sy voavela heloka dia hitsangana ho amin'ny fiainana ao amin'ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] izay torin'ny irak'Andriamanitra indrindra ny [[Mesia]]. Ireo olona nanao ny ratsy sy tsy nibebaka dia halefa any amin'ny gehena na ny helo. Roa ihany ny olona fantatra araka ny [[Baiboly]] fa nanangana olona tamin'ny maty, dia i [[Elia]] mpaminany sy i [[Jesosy]] Kristy.
 
Ligne 5 ⟶ 6 :
 
==== Fahagagana fananganana amin'ny maty ====
Ny fitsanganana amin'ny maty voalohany resahina ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] dia ilay notanterahin'ny mpaminany Elia tamin'ny zanak'ilay vehivavy mpitondra tena niantranoany, araka ny hita ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]]:. Fahavelomana manam-petra no vokatr'izany ka tsy mahasakana ny hahafatesana indray:
 
"<small>19</small> Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. <small>20</small> Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? <small>21</small> Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity. <small>22</small> Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy." (1Mpanj. 17.19-22)
 
==== Fitsanganan'olona maro ho velona ====
[[Sary:Quinten Massys Vision des Propheten Ezechiels.jpg|vignette|216x216px|''Ny Lohasahan'ny taolana maina,'' nataon'i Quentin Metsys the Younger, taona 1589.]]
Naminany ny amin'ny hitsanganan'ny olona maro amin'ny maty ny mpaminany [[Ezekiela]] araka ny voasoratra ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela]]:
 
Ligne 25 ⟶ 27 :
 
==== Fahagagana fananganana amin'ny maty ====
[[Sary:Ilja Jefimowitsch Repin 013.jpg|vignette|''Fananganan'i Jesosy ny zanakavavin'i Jairo tamin'ny maty,'' nataon'i Ilia Répine (1871).]]
Nanangana olona vitsivitsy amin'ny maty i [[Jesosy]] ka fiverenan'ny olona amin'ny vatana sy ny fiainana talohan'ny nahafatesana izany. Maro ireo olona voalaza fa nitsangana tamin'ny maty ka isan'ireo ny zanaka lahin'ilay vehivavy mpitondra tena (Lio. 7.11-15) sy i Lazarosy (na Lazara) avy any Betania (Joa. 11.38-44) ary ny zanakavavin'i Jairo (Lio. 8.49-56). Fahavelomana manam-petra ihany no vokatr'izany fa tsy fahafoanan'ny fahafatesana ho amin'ny [[fiainana mandrakizay]].
 
==== Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ====
[[Sary:Luca Giordano - Resurrection - WGA09020.jpg|vignette|''Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty,'' nataon'i Luca Giordano.]]
Nitsangana tamin'ny maty i Jesosy tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany tamin'ny nanomboana azy amin'ny [[hazo fijaliana]]; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany.
 
Ligne 71 ⟶ 75 :
* [[Paradisa]]
*[[Fitsanganan'i Jesosy ho velona]]
*[[Andro farany]]
 
== Rohy ivelany ==