Fitsanganan-ko velona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra sy nandamina
Andalana faha-1:
Ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]] na [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganana amin'ny maty]] dia ny fiverenan'ny efa maty ho amin'ny fiainana indray. Isan'ireo finoana lehiben'ny Kristiana ny fitsangana-ko velona. Ny fitsanganan'ny maty ho velona dia midika fa haharitra any amin'ny tontolo hafa ny fiainana ka mifandray amin'ny [[fitsarana farany]] hataon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra izany. Ny olona nanao ny tsara araka ny didin'Andriamanitra fahavelony sy voavela heloka dia hitsangana ho amin'ny fiainana ao amin'ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] izay torin'ny irak'Andriamanitra indrindra ny mesia[[Mesia]]. Ireo olona nanao ny ratsy sy tsy nibebaka dia halefa any amin'ny gehena na ny helo. Roa ihany ny olona fantatra araka ny [[Baiboly]] fa nanangana olona tamin'ny maty, dia i [[Elia]] mpaminany sy i [[Jesosy]] Kristy.
 
=== Ao amin'ny Testamenta Taloha ===
Roa ihany ny olona fantatra araka ny [[Baiboly]] fa nanangana olona tamin'ny maty, dia i [[Elia]] mpaminany sy i [[Jesosy]] Kristy. Maro ireo olona voalaza fa nitsangana tamin'ny maty ka isan'ireo i Lazarosy (na Lazara) avy any Betania sy ny zanakavavin'i Jairo.
Tsy izay voasoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] ihany no manamafy ny finoan'ny Kristiana ny fitsanganana amin'ny maty fa ny voalaza ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] koa, indrindra ny ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Bokin'i Ezekiela]] ary ny [[Bokin'i Daniela]].
 
==== Fahagagana fananganana amin'ny maty ====
Nitsangana tamin'ny maty i Jesosy tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany vokatry ny nanomboana azy amin'ny hazo fijaliana; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany. Amin'ny [[eskatolojia]] kristiana dia amin'ny andro farany, rehefa voapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra, no hananganana ny maty.
Ny fitsanganana amin'ny maty voalohany resahina ao amin'ny Testamenta Taloha dia ilay notanterahin'ny mpaminany Elia tamin'ny zanak'ilay vehivavy mpitondra tena niantranoany, araka ny hita ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]]:. Fahavelomana manam-petra no vokatr'izany ka tsy mahasakana ny hahafatesana indray:
 
"<small>19</small> Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. <small>20</small> Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? <small>21</small> Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity. <small>22</small> Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy." (1Mpanj. 17.19-22)
Ny finoana kristiana dia miorina amin'ny fampianarana momba ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty (1Kor. 15.13-19). Ireo Filazantsara efatra dia ahitana fitantarana momba ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, ny Epistily nosoratan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] no mamelabelatra ny fampianarana sy ny finoana ny fitsanganan'ny vita batisa ho velona. Nanangana olona vitsivitsy amin'ny maty i [[Jesosy]] ka fiverenan'ny olona amin'ny vatana sy ny fiainana talohan'ny nahafatesana izany.
 
==== Fitsanganan'olona maro ho velona ====
Miorina amin'ny voasoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]], indrindra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio]] (Mat. 23.1-10), ny [[Epistily ho an'ny Romana]] (Rom. 1.4), ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana]] (1Kor. 15.1) izay maneho ny fasana foan'i Jesosy telo andro taorian'ny nahafatesany, sy fisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianany. Ireo fitantarana ireo dia maneho fa tsy mpaminany sahala amin'ireo mpaminany hafa i Jesosy izay nandresy ny fahafatesana fa izy no [[Mesia]].
Naminany ny amin'ny hitsanganan'ny olona maro amin'ny maty ny mpaminany [[Ezekiela]] araka ny voasoratra ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela]]:
 
"<small>7</small> Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. <small>8</small> Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. <small>9</small> Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. <small>10</small> Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa." (Ezek. 37.7-10)
Ny fanavotan'i Jesosy ny olombelona dia vita miaraka amin'ny fiverenany any amin'ny Rainy. Ny maty rehetra dia hitsangan-ko velona ka izay nanao ny tsara hitsangana ho amin'ny fiainana fa ny mpanao ratsy kosa hitsangana ho amin'ny fitsarana fanamelohana (Jaona 5.29) amin'ny andron'ny Fitsarana farany.
 
Ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] dia ahitana firesahana ny amin'ny fitsanganan'ny olona tsirairay amin'ny maty:
Niadian'ireo Kristiana tany am-piandohana hevitra ny fitsanganan'ny vatana na ny tena amin'ny maty. Nilaza mazava ny apostoly Paoly fa hitsangana ny vatan'ny olona (1Kor. 15; 1Tes. 4.14-16). Ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsin'i Jaona]] koa dia miresakany amin'izany (Apo. 20.12) sy ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] (Jao. 5.21-29). Hamafisin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty.
 
"Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany." (Dan. 12.13).
Tamin'ny fotoana nivoaran'ny fivavahana kristiana dia nisy ireo tsy nino ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty ka nilaza fa ny fitsaganana ara-panahy ihany no hisy ka isan'izany ny fampianaran'ny gnostisisma sy ny an'ny manikeisma izay noheverin'ny Fiangonana tamin'izay ho nanao fampianaran-diso.
 
Iza no hitsangan-ko velona?
 
"<small>2</small> Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. <small>3</small> Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." (Dan. 12. 2-3).
 
=== Ao amin'ny Testamenta Vaovao ===
 
==== Fahagagana fananganana amin'ny maty ====
Nanangana olona vitsivitsy amin'ny maty i [[Jesosy]] ka fiverenan'ny olona amin'ny vatana sy ny fiainana talohan'ny nahafatesana izany. Maro ireo olona voalaza fa nitsangana tamin'ny maty ka isan'ireo ny zanaka lahin'ilay vehivavy mpitondra tena (Lio. 7.11-15) sy i Lazarosy (na Lazara) avy any Betania (Joa. 11.38-44) ary ny zanakavavin'i Jairo (Lio. 8.49-56). Fahavelomana manam-petra ihany no vokatr'izany fa tsy fahafoanan'ny fahafatesana ho amin'ny [[fiainana mandrakizay]].
 
==== Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ====
Nitsangana tamin'ny maty i Jesosy tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany vokatry tamin'ny nanomboana azy amin'ny [[hazo fijaliana]]; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany. Amin'ny [[eskatolojia]] kristiana dia amin'ny andro farany, rehefa voapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra, no hananganana ny maty.
 
Ny finoana kristiana dia miorina amin'ny fampianarana momba ny [[Fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty|fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty]] (1Kor. 15.13-19). Ahitana fitantarana momba ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ny [[Filazantsara|Filazantsara efatra]].
 
MiorinaNy finoan'ny Kristiana ny fitsanganana amin'ny maty dia miorina amin'ny voasoratra ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]], indrindra ny ao amin'ny [[Filazantsara araka an'i Matio]] (Mat. 23.1-10), ny [[Epistily ho an'ny Romana]] (Rom. 1.4), ny [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana]] (1Kor. 15.1) izay maneho ny fasana foan'i Jesosy telo andro taorian'ny nahafatesany, sy ny fisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpianany. Ireo fitantarana ireo dia maneho fa tsy mpaminany sahala amin'ireo mpaminany hafa i Jesosy izay nandresy ny fahafatesana fa izy no [[Mesia]].
 
==== Fitsanganan'ny maty niaraka tamin'ny an'i Jesosy ====
Misy filazana koa ao amin'ny Filazantsaran'i Matio izay manambara ny fitsanganan'ny olona maro ho velona toriana kelin'ny nitsanganan'ii Jesosy tamin'ny maty:
 
"<small>52</small> ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, <small>53</small> ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro." (Mat. 27.52-53).
 
==== Fitsanganana amin'ny maty amin'ny andro farany ====
Amin'ny [[eskatolojia]] kristiana dia amin'ny [[andro farany]] no hananganana ny maty rehefa voapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny Epistily nosoratan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] no mamelabelatra ny fampianarana sy ny finoana ny fitsanganan'ny vita batisa ho amin'ny fahavelomana.
 
Ny fanavotan'i Jesosy ny olombelona dia vita miaraka amin'ny fiverenany any amin'ny Rainy. Ny maty rehetra dia hitsanganHitsangan-ko velona ny maty rehetra ka izay nanao ny tsara hitsangana ho amin'ny fiainana fa ny mpanao ratsy kosa hitsangana ho amin'ny fitsarana fanamelohana (Jaona 5.29) amin'ny andron'ny [[Fitsarana farany]] (Jaona 5.29).
 
Niadian'Niady hevitra ireo Kristiana tany am-piandohana hevitrany amin'ny fitsanganan'ny vatana na ny tena amin'ny maty. Nilaza mazava ny apostoly Paoly fa hitsangana ny vatan'ny olona (1Kor. 15; 1Tes. 4.14-16). Ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsin'i Jaona]] koa dia miresakany amin'izany (Apo. 20.12) sy ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] (Jao. 5.21-29). Hamafisin'nykoa [[fanekem-pinoanadia nikeana]]miresaka ny fitsanganan'ny tena amin'ny matyizany.
 
=== Ny fanekem-pinoana ===
Tamin'ny fotoana nivoaran'ny fivavahana kristiana dia nisy ireo tsy nino ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty ka nilaza fa ny fitsaganana ara-panahy ihany no hisy ka isan'izany ny fampianaran'ny [[gnostisisma]] sy ny an'ny [[manikeisma]] izay noheverin'ny Fiangonana tamin'izay ho nanao fampianaran-diso. Hamafisin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty.
 
== Jereo koa: ==
Ligne 19 ⟶ 53 :
* [[Eskatolojia]]
* [[Paradisa]]
*[[Fitsanganan'i Jesosy ho velona]]
 
== Rohy ivelany ==