Isbôseta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Ireo foko 11
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-14:
Ao amin'ny [[Boky faharoan'i Samoela]] no ahitana ny tantaran'i Isbaala (2Sam. 2.8–4.12). Zanak'i [[Saoly]] tamin'i Akinoama zanakavavin'i Ahimaaza izy sady teraka tamin'ny taona 1047 tal J.K.
 
Taorian'ny nahafatesan'i Saoly sy ireo zany lahy telo, dia i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malkisoa, tamin'ny ady teo amin'ny Tendrombohitra Gilboa, dia i Isboseta, izay efapolo taona tamin'izay, no sisa velona ka nasandratr'i Abnera mpitari-tafik'i Saoly, ho mpanjaka tao Mahanaima. I [[Davida (Baiboly)|Davida]] zanak'i Jese anefa efa nambara ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà (2Sam. 2.4). Tsy nanjaka afa-tsy roa taona (2Sam. 2.11) i Isboseta sady tsy nanapaka afa-tsy ny foko 11n'i Israely ihany. Ireto ireo fopkofoko ireo: ny fokon'i Robena, ny fokon'i Simeona, ny fokon'i Isakara, ny fokon'i Zabolona, ny fokon'i Dana, ny fokon'i Naftaly, ny fokon'i Gada, ny fokon'i Asera, ny fokon'i Manase ary ny fokon'i Efraima.
 
I Davida sy i Isboseta dia niady matretika ka ny tafik'i Davida no naharesy (2Sam. 3.1), nefa niova hevitra i Abnera ka nikambana tamin'i Davida taorian'ny adin'i Abnera tamin'i Isboseta (2Sam. 3.8-12). Navelan'i Isboseta ho vadin'i Davida ihany ilay anabaviny (i Mikala) izay tokony homen'i Saoly ho vadin'i Davida talohan'ny fifanolanany (2Sam. 3.14-15).