Isbôseta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Ireo foko 11
Andalana faha-12:
 
== Ny tantarany ==
Ao amin'ny [[Boky faharoan'i Samoela]] no ahitana ny tantaran'i Isbaala (2Sam. 2.8–4.12). Zanak'i [[Saoly]] tamin'i Akinoama zanakavavin'i Ahimaaza izy sady teraka tamin'ny taona 1047 tal J.K.
 
Taorian'ny nahafatesan'i Saoly sy ireo zany lahy telo, dia i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malkisoa, tamin'ny ady teo amin'ny TetndrombohitraTendrombohitra Gilboa, dia i Isboseta, izay efapolo taona tamin'izay, no sisa velona ka nasandratr'i Abnera mpitari-tafik'i Saoly, ho mpanjaka tao Mahanaima. I [[Davida (Baiboly)|Davida]] zanak'i Jese anefa efa nambara ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà (2Sam. 2.4). Tsy nanjaka afa-tsy roa taona (2Sam. 2.11) i Isboseta sady tsy nanapaka afa-tsy tamin'ny foko 11n'i Israely ihany. Ireto ireo fopko ireo: ny fokon'i Robena, ny fokon'i Simeona, ny fokon'i Isakara, ny fokon'i Zabolona, ny fokon'i Dana, ny fokon'i Naftaly, ny fokon'i Gada, ny fokon'i Asera, ny fokon'i Manase ary ny fokon'i Efraima.
 
I Davida sy i Isboseta dia niady matretika ka ny tafintafik'i Davida no naharesy (2Sam. 3.1), nefa niova hevitra i Abnera ka nikambana tamin'i Davida taorian'ny adin'i Abnera tamin'i Isboseta (2Sam. 3.8-12). Navelan'i Isboseta ho vadin'i Davida ihany ilay anabaviny (i Mikala) izay tokony homen'i Saoly ho vadinyvadin'i Davida talohan'ny fifanoheranyfifanolanany (2Sam. 3.14-15).
 
Notapahan'ny manamboninahitra roa tao aminy (i Rekaba sy Baana) ny lohan'i Isboseta natory antoandro (2Sam. 4.5) ho valifatin'i Davida amin'ny tranon'i Saoly. Nefa nohelohin'i Davida ho faty izy ireo noho izany vonoan'olona izany. dia nalevinaNalevina tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona i Isboseta (2Sam. 4.12).
 
== Jereo koa: ==