Hôsea (mpanjakan' i Israely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy mimba ny tantaran'ny Jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I [[Hosea (mpanjakan'i Israely)|Hosea]] na [[Hosea (mpanjakan'i Israely)|Osea]] dia mpanjaka farany tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] izay nanjaka teo anelanelan'ny taona 732 sy 722 tal. J.K. I Ela no rainy (tsy i Ela mpanjaka).

== Ny anarany ==
Avy amin'ny teny hebreo hoe הוֹשֵׁעַ / ''Hôsheaʻ'' ny anarana hoe Hosea izay midika hoe "vonjeo". mety fanafohezana ny hoe הוֹשֵׁעַיהו izay midika hoe "Mamonjy i Iahveh" (na "Mamonjy i Jehovah" na "mamonjy ny Tompo") na "Mamonje, ry Iahveh" (na "Mamonje, ry Jehovah" na "mamonje, ry Tompo"). Amin'ny teny grika dia atao hoe Ὠσηέ / ''Ôsêe'' ao amin'ny [[Septoajinta]] (Baiboly jiosy amin'ny teny grika). Ny Protestanta malagasy dia manoratra hoe ''Hosea'' fa ny Katolika malagasy kosa ''Osea''.

== Ny tantarany ==
Tamin'ny taona 732 tal. J.K. dia nanao tetika hanesorana ilay mpaka fitondrana ankeriny atao hoe [[Peka (mpanjakan'i Israely)|Peka]] (na Fasea) i Hosea ka namono azy sady niakatra teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely hisolo azy. Rehefa maty i Teglata-Falasara III tamin'ny taona 727 tal. J.K. dia niezaka nampitohy ny fifandraisany tamin'i Egipta mba hanafaka ny fireneny sy hisakana ny fandoavan-ketra tamin'ny Asiriana. Nampitandrina an'i Hosea ny mpanjakan'i Asiria vaovao, dia i Salmanazara V (na Salmanesera) izay nanao fahirano an'i Samaria taty aoriana tamin'ny taona 724 tal J.K. nandritra ny telo taona<ref name=":0"><small>Françoise Briquel-Chatonnet, ''[https://books.google.com/books?id=4g9apDxKCXQC&pg=PA170 Les relations entre les cités de la côte phénicienne et les Royaumes d’Israël et de Juda]'', Peeters Publishers, 1992 (<nowiki>ISBN 9789068313796</nowiki>, [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3D4g9apDxKCXQC%26pg%3DPA170 tahiry]])</small></ref>. Nesorin'i Salmanazara tamin'ny fmaha mpanjaka azy izy tamin'ny taona 722 tal J.K. ka nogadrany mandra-pahafatiny. Tsy nanana mpitondra ny vahoakan'i Israely ka lasa andevo sy natao sesitany tany Ninive. Olona miisa 27.290 no lazaina fa natao sesitany, araka ny voasoratra ao amin'ny Baiboly, ka nosoloana mpijirika babiloniana sy arameana<ref name=":0" />. Izany fotoana izany no namarana ny fisian'ny Fanjakan'i Israely sy ny foko folon'i Israely tao avaratra izay atao hoe foko verin'i Israely<ref><small>''[[:fr:Encyclopédie_Larousse|Encyclopédie Larousse du XX<abbr>e</abbr> siècle]]'', Paris, 1932</small></ref>.
 
== Jereo koa: ==