Hôsea (mpaminany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Thelezifor dia namindra ny pejy Hosea any amin'i Hosea (mpaminany) ary nanitsaka fihodinana : misy Hosea hafa
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Profeta Osea (Moretto).jpg|vignette|''Ny mpaminany Hosea,'' nataon'i Alessandro Bonvicino, taona 1521-1524.]]
I '''Hosea''' na [[Hosea|Osea]] dia [[Mpaminanin'i Israely|mpaminany israelita]] voaresaka ao amin'ny [[Baiboly]]. Tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakana Avaratra]] izy no niasa tamin'ny nanjakan'i Jeroboama (taona 782 hatramin'ny 753 tal. J.K.). Mpiandry ondry no asany talohan'ny naha mpaminany azy ary vehivavy mpivaro-tena ny vadiny, izay atao hoe Gomera. Ny lovatsofina jiosy dia manao an'i Hosea ho nanoratra ny [[Bokin'i Hosea]].
 
== Ny anarany ==
Avy amin'ny teny hebreo hoe הוֹשֵׁעַ / ''Hôshea`'') ny anarana hoe Hosea izay midika hoe "vonjeo". mety fanafohezana ny hoe הוֹשֵׁעַיהו izay midika hoe "Mamonjy i Iahveh" (na "Mamonjy i Jehovah" na "mamonjy ny Tompo") na "Mamonje, ry Iahveh" (na "Mamonje, ry Jehovah" na "mamonje, ry Tompo"). Io fototeny io dia hita koa ao amin'ny anarana nogasina hoe ''Josoa'' (na ''Jôsoe'') sy ''Jesoa'' (na ''Jesosy'') ary ao amin'ny teny nogasina hoe ''hosana'' na ''hôzana''. Maro ny olona nitondra io anarana io tamin'ny taonjato faha-8 hatramin'ny faha-7 tal. J.K. Maro ny tombokase sy soratra ahitana io anarana io izay fantatra tamin'izany vanim-potoana izany (3). I Hieronimo (na Jerôma) sy i Isidora avy any Sevila dia nihevitra fa midika hoe "mpamonjy" io anarana io.
 
== Ny fiainany ==
Mpaminanin'i Israely tao amin'ny [[Fanjakan'i Samaria]] na Fanjakana Avaratra i Hosea izay velona tamin'ny andron'ny mpanjaka [[Jeroboama II]] (taona 782-753 tal. J.K.) sy fantatra amin'ny alalan'ny faminaniana mikasika azy izay noraiketin'ireo mpianany an-tsoratra tamin'ireo taompolo voalohan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiainam-panambadian'i Hosea, izay mpiandry ondry tsotra - dia lohahevitra mibahana ao amin'ny boky mitondra ny anarany: lasa tandindon'ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany izany. Tantaraina ao amin'ny boky fa nahita ny fanitsakitsaham-bady nataon'ny vadiny bnitovy amin'ny mpivaro-tena izy ka nampahory azy izany (4). Ny fanambadiany sy ny fiterahany ary ny anaran-janany dia niaraka tamin'ny faminaniana tantaraina ao amin'ny boky sady midika fifandraisana tsy milamina teo amin'ny vahoaka voafidy tamin'Andriamanita. Oharina amin'ny vady tsy mahatoky izany vahoaka izany satria nanompo sampy. Andriamanitra kosa dia aseho ho ilay vady mahatoky sady tokana izay miteny amin'ny fon'ny vahoaka (Hos. 2.14) sady manao izay azo atao hamerenana indray izany vady tsy mahatoky izany amin'ny alalan'ny fisedrana azy sady vonona hamela heloka azy raha vao mibebaka izy.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Hosea (mpanjakan'i Israely)]]