Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
 
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Bokin'i Josoa'' na ''Bokin'i Jôsoé'' dia fanagasiana ny anaran'ny boky amin'ny teny hebreo hoe ''ספר יהושע / Sefer Yehoshua''. Ny hoe ''Yehoshua'' dia atao amin'ny teny anglisy hoe ''Joshua'' ka izany no nakan'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta malagasy]] ny hoe ''Josoa'' fa amin'ny teny frantsay kosa dia ''Josué'' ka avy amin'io indray no nakan'ny Baiboly katolika malagasy ny hoe ''Jôsoé''.
 
== Ny amin'ny fanoratana ny Bokin'i Josoa ==
 
=== Ny nanoratana ny boky araka ny lovantsofina ===
Ny lovantsofina jiosy dia milaza fa i [[Josoa]] no nanoratra io boky io. Nampitondraina ny anaran'i Josoa ilay boky satria izy no olona voaresaka betsaka sady manana ny maha izy azy indrindra ao anatiny. I Josoa dia ilay lehilahy nanampy an'i [[Mosesy]] (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny [[Zanak'i Israely]] avy any Egypta (Ejipta) hankany amin'ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]] sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy.
 
=== Ny fanoratana ny boky araka ny fikarohana ankehitriny ===
Andalana faha-32:
 
=== Ny hafatra farany nataon'i Josoa (Jos. 21 - 24) ===
Efa antitra i Josoa tamin'ny nahavitana ny fakàna sy ny fizaràna ny tany Kanana ka nanao hafatra farany ny amin'ny tsy tokony hanaovan'ny Zanak'i Isiraely ny fanaon'ireo firenena manodidina azy sy ny tsy hifangaroany aminy, ny tokony hitandremany ny lalàna, ny fampahatsiahivany ny halehiben'ny herin'Andriamanitra sy ny fanatanterahany ireo fampanantenana izay nataon'Andriamanitra. Nilaza koa i [[Josoa]] fa raha misaraka amin'Andriamanitra ny Israelita ka manompo andriamani-kafa dia ho tonga ireo firenena manodidina ka handripaka azy. Nitady ny valin-tenin'ireo Israelita i Josoa mba ho fanamafisana ilay Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'i Israely. Nilaza iretsy farany fa hanompo an'Andriamanitra.
 
== Jereo koa ==