Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-10:
 
== Ny Mesia araka ny finoana jiosy ==
Ny olona nohosorana voalohany, araka ny Baiboly, dia hita ao amin’ny [[Bokin'ny Eksodosy|Bokin’ny Eksodosy]] (Eks. 29) ka ireo mpisorona no nohosorana tamin’izany: "''Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy''." (Eks. 29.7). Tamin’ny foton’ny [[Fahababoana]] tany Babilona, ny mpaminany sasany dia miresaka ny amin’ny mesia, dia ny mpanjaka izay hanorina indray ny fanjakana ao amin’ny tanin'i Isiraely sady hanafaka azy. Taty aorian’ny Fahababoana dia navelan’ireo Persiana hody any an-taniny ny Jiosy ka i [[Ezra]] (na [[Esdrasa]]), izay mpisoron-dehibe tao Jerosalema, no niandraikitra ny fanorenana indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sy ny jodaisma, fa i [[Zorobabela]] kosa, izay taranak’i Davida, dia voatendry ho mpanapaka ny faritanin’i Yehoda (Joda na Jodea). Ny tanjon’ny Persiana anefa dia tsy ny hiverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’ireo faritany anjakany fa ny hamerina indray ny fomba amam-panaony mba hahatonga azy ireo hanoa ny fitondrana persiana. I Zorobabela dia natsoina hiverina any Babilona, noho izany dia mpisorona no nantenaina ho Mesia.
 
Tamin’ny taonjato voalohany, noho ny fiheverany ny Romana ho ny zavatra ratsy indrindra, ny Jiosy dia nivaofy ny faminaniana ao amin’ny Baiboliny ([[Tanakh]]) ho manondro olona voatendrin’Andriamanitra hitondra ny Jiosy amin’ny fahafahana. Ambonin’izany, nikorontana na ara-politika na ara-pivavahana i Jodia : maro ireo "sekta" niady fahefana sy niady ho lohany ara-pivavahana. Ny [[Sadoseo]] sy ny [[Fariseo]] ary ny [[Eseniana]] no tena natanjaka indrindra amin’ireo. Tao koa ireo GalilianaGalileana sy [[Zelota]] ary Sikara.
 
=== Ny Mesia araka ny Tanakh ===
Andalana faha-47:
Ao amin’ny fivavahana silamo, i Jesoa (arabo: Îsâ) dia tsy inoana ho zanak’Andriamanitra na ho Andriamanitra, fa mpaminany lehibe nampianatra ny lalàn’Andriamanitra. Manao an’i Jesoa ho الْمَسِيحُ / ''<nowiki/>'Al-Masih''' ny boky [[Kor'any]], sady manambara ny hiverenany indray ety an-tany amin’ny andro farany.
 
Amin’ny maha Mesia an’i Jesoa Kristy (''Masih’ Îsâ'') ao amin’ny fivavahana silamo, ireo manampahaizana (sahala amin’i al-Qurtubi na i ibn Kathir, na i Tabarî) dia manorina ny filazàny amin’izao andininy izao: “''Tsy hisy ao amin’ireo olon’ny Boky izay tsy hino azy alohan’ny hahafatesany. Ary amin’ny Andron’ny Fitsanganan-ko velona, ho vavolombelona hiampanga azy ireo izy''” (Kor'any 4, an-Nisa: 159). I Tabarî dia manazava fa ny asan’i Jesoa dia manomboka ao Damaskosy (na Damasy) any Siria-Palestina izay hidinan’i Jesoa avy any an-danitra. I Jesoa dia hamongotra ny Antikristy (arabo: ''al-Masih ad-Dajjal'' “ny Mesia sandoka”) ao Palestina eo am-bavahadin’i Loda (izay tsy lavitra ny [[TempolyTempolin'i Jerosalema|Tempoli]]<nowiki/>n’i Jerosalema); ny asany amin’ny maha Mesia azy dia hanomboka ao Palestina ka hiitatra manerana izao tontolo izao; ka amin'izany,
 
 
 
"''Ny liona dia hiara-belona amin’ny zanak’ondry nefa tsy haninona azy, ny ankizy hilalao amin’ny menarana nefa tsy hanaikira azy ireo''." (Muslim, ''Les signes de la Fin des Temps'')