Maria (renin' i Jesoa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Sassoferrato - Jungfrun i bön.jpg|vignette|320x320px|''Ny Virjiny mivavaka'', nataon'i Giovanni Battista Salvi da Sassoferrato, taona anelanelan'ny taona 1640 sy 1650.]]
I [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] dia vehivavy avy any Jodia[[Jodea]] (Jodeana Jodia) izay voalazan'ny [[Baiboly]] sy [[Apokrifan'ny Baiboly|boky apokrifa]] maro hafa koa ary ny [[Kor'any]] fa niteraka an'i [[Jesoa]] avy any Nazareta. Ny Fiangonana katolika sy ortodoksa dia manome toerana lehibe an'i Maria izay antsoiny hoe [[Renin'Andriamanitra]].
 
== I Maria araka ny Testamenta Vaovao ==
 
==== I Maria sy ny fahaterahan'i Jesoa ====
Mitantara ny fanambaràn'ny anjely [[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]] (Gabriely) mialoha tamin'i Maria ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Evanjelin'i Matio]] sy ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|an'i Lioka]], avy eo tamin'i Josefa fofombadiny ny hahaterahan'i Jesoa. Manome toerana betsaka an'i Maria ny fitantaran'ny Evanjelin'i Lioka toy izay ny an'i Matio. Tantarainy ny amin'ny [[anjely]] izay niseho tamin'i Maria fa ny an'i Matio kosa miresaka ny amin'ny nofin'i [[Josefa (vadin'i Maria)|Josefa]] sy ny [[anjely]] niseho taminy (Lio. 1.21-35; Mat. 1.18-23).
 
Noho i Maria bevohoka nefa tsy nanao firaisana ara-nofo tamin'i Josefa dia niahiahy azy ho nijangajanga i Josefa ka nieritreritra ny hisaraka aminy mba tsy hanahirana azy, satria araka ny lalàna jiosy dia mety hiharan'ny fitoraham-bato i Maria<ref><small>Agnès Walch, ''Histoire de l'adultère'', Librairie Académique Perrin, 2009, <abbr>p.</abbr> 54.</small></ref>. Nefa nisy anjely nanazava tamin'i Josefa fa nitoe-jaza noho ny herin'ny [[Fanahy Masina]] i Maria sady nandresy lahatra azy ilay anjely mba tsy hanatanterahany ny eritreriny (Mat. 1.18-19).
 
Ao amin'ny tohin'ny tantara dia namangy an'i Elizabeta rahavaviny i Maria sady naneho ny hafaliany taminy (Lio. 1.39-55). Niteraka an'i [[Jesoa]] tao [[Betlehema]] izy (Mat. 2.1-6; Lio. 2.4-7) ka namangy azy mianaka ny mpiandry ondry sy ny [[Magy|majy]] (magy) telo lahy (Mat. 2.7-12; Lio. 2.15-21).
 
Araka ny tetiaran'i Jesoa ao amin'ny Evanjelin'i Matio (Mat. 1.1-17) dia avy amin'ny tranon'ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]] i Josefa nefa tsy dia mazava loatra ny amin'izany ka miteraka tsy fifanarahan-kevitra ny [[Evanjelin'i Lioka]] (Lio. 3.23-38) satria i Josefa sy i Maria dia samy voalaza fa taranaky ny mpanjakan'i Israely<ref><small>Geoffrey W. Bromiley, ''The International Standard Bible Encyclopedia, Volume 4'', Wm. B. Eerdmans Publishing, 1995, p. 269.</small></ref>.
 
==== I Maria sy ny fahazazan'i Jesoa ====
Ireo [[Evanjely]] ireo dia miresaka koa ny amin'ny fitondrana an'i Jesoa zaza tany amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] mba hanatanteraka ny fanatitra tokony hatao noho ny voalohan-teraka. Naminany i Simeona fa hiaritra fangirifiriana i Maria (Lio. 2.21-35). Ary taty aoriana dia nitranga ny tantaran'ny fahaverezan'i Jesoa tamin'ny faha-12 taonany (Lio. 2.41-51) tamin'ny niakaran'izy ireo ho any amin'ny Tempolin'i Jerosalema izay fanao isan-taona: raha nody any [[Nazareta]] ireo ray aman-dreniny dia nitoetra tao an-Tempoly i Jesoa niady hevitra tamin'ireo "mpanora-dalàna" (manam-pahaizana momba ny Soratra Masina jiosy: ny [[Torah]]).
 
==== I Maria sy ny fahalehibeazana ary ny fahafatesan'i Jesoa ====