Fanjakan' i Jodà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Lisitry ny mpajaka
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdoms of Israel and Judah map 830.svg|vignette|376x376px|Fanjakan'i Israely sy Fanjakan'i Jodà tamin'ny taonjato faha-9 tal. J.K.]]
Ny [[Fanjakan'i Jodà]] na [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan'i Joda]] na [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakana Atsimo]] dia fanjaka-mpanjaka tany [[Atsinanana-Akaiky]] taloha naorin'ny Israelita tamin'ny [[Andron'ny Vy]]. Araka ny [[Baiboly]] dia teo anelanelan'ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian'io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin'ny [[Fanjakan'i Samaria]] (na [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]]) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan'ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakan'i Israely izay mbola nitambatra]] izy sy ny Fanjakan'i Samaria taorian'ny nahafatesan'i [[Solomona]] ([[Salômôna]]). Taorian'ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan'ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan'ny Babiloniana izy tamin'ny andron'i Nebokadnetsara II tamin'ny ady nifanaovan'i Egiptiana sy ny Babiloniana. Roa fotsiny ny [[fokon'i Israely]] tafajanona tao amin'ny Fanjakan'i Jodà, dia ny fokon'i Jodà sy ny an'i Benjamina.
 
== Lisitry ny mpanjakan'i Jodà ==
Nanomboka teo amin'ny fanjakan'i Rehoboama na Roboama ka hatramin'ny fanjakan'i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan'i Jodà. I [[Saoly]] na Saola sy i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ary i [[Solomona]] na Salomona dia mpanjakan'i [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Israely]] tamin'izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky.
 
* Rehoboama na Roboama (hebreo: רְחַבְעָם / ''Rehav’am'');
* Abia na Abiama (hebreo: אַבִיָּם / ''’Aviyam'');
* Asa (heb: אסא / ''’Asa'');
* Josafata (יהושפט / ''Yehoshafat'');
* Jorama na Jehorama (יהורם / ''Yehoram'');
* Ahazia na Okoziasa (אחזיהו / ''’Ahazyahu'');
* Atalia (עתליה / ''‘Atalyah'');
* Jehoasa na Joasa (יהואש / ''Yehoash'');
* Amazia na Amaziasa (אמציה / ''’Amatzyah'')
* Ozia na Oziasa (עזיה / ''‘Uziyah'')
* Azaria na Azariasa (עזריה / ''‘Azaryah'')
* Jotama (יותם / ''Yotam'')
* [[Ahaza]] na Akaza (אחז / ''’Ahaz'')
* Hezekia na Ezekiasa (חזקיה / ''Hizqiyah'')
* [[Manase]] (מנשה / ''Menasheh'')
* Amona (אמון / ''’Amon'')
* Josia na Josiasa (יאשיהו / ''Yo’shiyahu'')
* Jehoahaza na Joakaza (יהואחז / ''Yeho’ahaz'')
* Jehoiakima na Joakima (יהויקים / ''Yehoyaqim'')
* Jehoiakina (יהויכין / ''Yehoyakhin'')
* Jekonia na Jekoniasa (יכניהו / ''Yekhonyahu'')
* Zedekia na Sedekiasa (צדקיהו / ''Tzidqiyahu'')
 
== Jereo koa: ==