Ahaza: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantaran'i Israely sy Jodà
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 19 Desambra 2018 à 12:14

I Ahaza na Akaza dia mpanjakan'i Jodà teo anelanelan'ny taona 735 sy 715 tal. J.K. Zanak'i Jotama[1] izy. Izy no mpanjakan'i Jodà faha-12. I Hezekia na Ezekiasa zanany no nandimby azy.

Raha vao nanjaka izy dia notafihin'ny mpanjaka tao amin'ny Fanjakan'i Israely atao hoe Peka[2] sy Rezina mpanjakan'i Siria[3] izay tsy nahazo fahafaham-po tamin'i Ahaza ny amin'ny tokoky hiraisany hina hanohitra an'i Asiria. I Edoma koa dia nanafika an'i Jodà tamin'ny andron'i Ahaza izay voatery tsy naharo ny tananan'i Elata ho azon'ny Edomita. Nitady vonjy tamin'ny mpanjakan'i Asiria atao hoe Teglata-Falasara III[4] i Ahaza mba hanampy azy hanohitra ny fahavalony.

Resin'i Asiria tokoa i Asiria sy Israely nefa tsy maitsy nanome ampahany tamin'ny tahirin-karen'ny Tempoly ho an'i Asiria i Ahaza. Tsy voaraka amin'ny tokony ho izy intsony ny fanompoana tao an-Tempoly sady nanompo ny andriamanitra maro sy ny sampin'i Asiria i Ahaza. Nampangain'ny mpaminany Isaia (na Izaia) ho tsy mahatoky teo imason'i Iahveh ny mpanjaka Ahaza tamin'ny nitadiavan'i Ahaza vonjy tamin'ny Asiriana fa tsy tamin'Andriamanitra. Tamin'ny taona 715 tal. J.K. dia nandimby an'i Ahaza ny zanany atao hoe Hezekia na Ezekiasa.

Loharano sy fanamarihana

  1. Nanjaka tamin'ny taona 742-735 tal. J.K. i Jotama.
  2. Nanjaka tamin'ny taona 737-732 tal. J.K. i Peka
  3. Nanjaka tamin'ny taona 742-732 tal. J.K. i Rezina.
  4. Nanjaka tamin'ny taona 745-727 tal. J.K.i Teglata-Falasara.