Filipina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-46:
I '''Filipina''' na amin’ny anarany lava '''Repoblikan’i Filipina''', na amin’ny [[fiteny tagalaogy]] ''Republika ng Pilipinas'', na amin’ny [[fiteny anglisy]], ''Republic of the Philippines'', dia firenena iray eo amin’ny tambanosy miisa nosy 7 107 ary manana velarantany telo hetsy kilometatra toradroa (90%-n’ny velarantan’i Filipina ny nosy roa ambin’ny folo lehibe indrindra). Nosy mahery ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan’ireo nosy tsy manana anarana. Any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Pasifika no misy an’i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i [[Taiwan]] any avaratra, ny faritany atsinanan’i [[Malaizia]] (Borneo), [[Brunei]], ary [[Indonezia]] (Faritany Indonezianin’i Borneo na [[Kalimantan]]).
 
Ireo faritany telon’i Filipina dia [[Luzon|Luzón]], [[Visaya]] ary [[Mindanao]]. Ny nosin’i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindran’ny firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, miisa 15 tapitrisa mponina. Eo amin’ny faritany afovoan’i Filipina no misy an’i [[Visaya]], ahitana ny nosy Negros, [[Cebu]], [[Bohol]], [[Panay]], [[Masbate]], [[Samar]] ary [[Leyte]]. Any atsimo no ahitana an’i [[Mindanao]], nosy faharoa amin’ny velarantaniny. Davao, Marawi ary Zamboanga ary Cagayan no tanàna lehibe ao amin’ny nosin’i Mindanao. Any atsimo andrefan’i Mindanao no ahitana ireo nosin’i Sulu ohatr’i Basila, Jolo ary Tawi Tawi ; akaikin’i Borneo no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran’ny vondrona isilamista mpampatahotra Abu Sayyaf. Any andrefan’i Visaya no misy ny tamba-nosin’i [[Palawan]], miisa nosy 1 700.
 
== Tantara ==