Advento: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Adventskranz-1.Advent.jpg|vignette|274x274px|Satroboninahitry ny Advento]]
Ny [[Advento]] na [[Advento|Fiaviana]] dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny [[Noely]] na [[Krismasy]] manomboka amin'ny andro Alahady manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana alohan'ny fankalazana ny [[Fahaterahan'i Jesoa|nahaterahan'i Jesoa Kristy]] izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento amin'ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy (dia ny [[Noely]] na [[Krismasy]]) sy ny fiaviany fanindroany ety an-tany azy.
 
Ny Advento no fanombohan'ny taom-piangonana tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny [[Fiangonana katolika romana|Katolika romana]], ny [[Ortodoksa tandrefana]], ny [[Anglikanisma|Anglikana]], ny [[Loteranisma|Loterana]], ny Moraviana, ny Presbiteriana, ny [[Metodisma|Metodista]]). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an'ny Fiangonana katolika sy Protestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan'ny Advento ho an'ny Fiangonana ortodoksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan'i Jesoa amin'ny Epifania.
Andalana faha-11:
 
== Ny lohahevitra amin'ny Alahady efatra ==
Ny fotoan'ny Advento dia misy Alahady efatra amin'ny ankamaroan'ny fiangonana fa enina kosa izany ho an'ny Fiangonana ortodoksa. Ao amin'ireo Fiangonana manaraka ny fombam-pivavahana romana izay ampiasaina indrindra ao amin'ny Eglizy katolika dia samy manana ny lohahavitralohahevitra voizina ny Alahady tsirairay.
 
==== Alahady voalohany ====
[[Sary:The Last Judgement. Jean Cousin..jpg|vignette|254x254px|''Ny Fitsarana farany,'' nataon'i Jean Cousin]]
Amin'ny Alahady voalohany, izay atao hoe koa Alahadin'ny Advento, dia miompana amin'ny [[Fiavian'i Kristy Fanindroany]] ny lohahevitra. Arehitra ny labozia voalohany amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia 2.1-5; Salamo 121 (na 122 amin'ny Baiboly sasany); Romana 13.11-14; Matio 24.37-44.
Ligne 21 ⟶ 22 :
 
==== Alahady faharoa ====
[[Sary:Brueghel l'Ancien - La Prédication de Saint Jean-Baptiste.jpg|vignette|247x247px|''Ny toritenin'i Joany Batista'', nataon'i Pieter Bruegel der Ältere]]
Amin'ny Alahady faharoa dia mampahatsiahy ny toritenin'i [[Joany Batista]] (na [[Jaona mpanao batisa]]), izay tonga nanamboatra mialoha ny lalan'ny Tompo, ny famakiana ny Filazantsara na ny Evanjely. Ny vakiteny hafa dia samy manana ny lohahevitra entiny avy koa. Arehitra ny labozia faharoa amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia 11.1-10; Salamo 71 (na 72); Romana 15.4-9; Matio 3.1-12.
Ligne 30 ⟶ 32 :
Amin'ny Alahady fahatelo dia mbola mikasika an'i Joany Batista ihany ny famakiana ny Evanjely, ireo vakiteny hafa dia momba ny fifaliana vokatry ny fiavian'ny Mpamonjy. Arehitra ny labozia fahatelo amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 35.1-6a, sy 10; Salamo 145.7-10 (na 146.7-10 amin'ny Baiboly sasany); Jakoba 5.7-10; Matio 11.2-11.
 
* Isaia (na Izaia) 61.1-2a, sy 10-11; Lioka 1.46-50, sy 53-55; Tesalonisiana (na Tesaloniana) 5.16-24; Joany (na Jaona) 1.6-8, sy 19-28.
Ligne 36 ⟶ 38 :
 
==== Alahady fahefatra ====
[[Sary:Gerard Seghers 001.jpg|vignette|244x244px|''Ny nofin'i Josefa'', nataon'i Gerard Seghers, taona 1625-1630.]]
Amin'ny Alahady fahefatra dia mifantoka amin'ny ny zava-nitranaganitranga momba an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] sy i [[Josefa (vadin'i Maria)|Josefa]] izay mitarika mivantana ho amin'ny fahaterahan'i Jesoa, ary ireo vakiteny hafa dia momba izany ihany koa. Arehitra ny labozia fahefatra amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 7.10-16; Salamo 23.1-6 (na 24.1-6). Romana 1.1-7; Matio 1.18-24.
Ligne 46 ⟶ 49 :
==== Ny isa sy ny lokon'ny labozia ====
[[Sary:Adventkranz andrea.JPG|vignette|247x247px|Satroboninahitry ny Advento sy labozia fanao any Kanada]]
Fanao amin'ny fiangonana toy ny any Alemaina sy amin'ny faritra sasany ao Eoropa ny manantona ilay atao hoe "satrobolinahitry ny Advento" na "satroboninahitry ny Fiaviana" izay ametrahana labozia iray isan-kerinandro mandra-pahatongany ho efatra amin'ny andron'ny [[Noely]] (na [[Krismasy]])<ref name=":0" />. Matetika dia miloko mena ireo labozia ireo nefa misy ny mampiasa loko hafa toy ny manga, ny mavokely, ny volomparasy sns.
 
Ao Soeda dia jiro miloko fotsy no ampiasaina izay mariky ny fahadiovana ary ny satroboninahitra dia atokana ho an'ny fetin'i ''Sankta Lucia'' (Mb. Losia) amin'ny 13 Desambra. Ao Kanada dia labozia volomparasy telo sy labozia mavokely iray no ampiasaina amin'ny satroboninahitry ny Advento ka ny mavokely tsy arehitra raha tsy amin'ny Alahady fahatelo sady manambara ny fifaliana amin'ny fahataperan'ny fiandrasana. Any [[Aotrisy]] kosa dia miloko volomparasy ny labozia izay mariky ny fivalozana<ref><small>[https://diocese92.fr/faq/fetes_avent_traditions.htm "Traditions de l'Avent"], Diocèse de Nanterre [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2F92.catholique.fr%2Ffaq%2Ffetes_avent_traditions.htm tahiry]]</small></ref>.
Ligne 65 ⟶ 68 :
 
== Loharano ==
<br />