Fitsanganan' i Jesoa ho velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny finoana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganan'i Jesoa ho velona]] na [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty]] dia isan'ireo tenim-pinoana (na dogma) fototra eo amin'ny [[teolojia]] kristiana sy ny [[kristolojia]] izay ivony. Izao no voasoratra ao amin'ny literatiora tranain'ny kristianisma, ny [[Epistolan'i Paoly|Epistola voalohan'i Paoly]]: "Ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia foana ny finoanay" (1Kor.Korintiana voalohany 15.14). Izany tenim-pinoana izany dia manambara fa i Jesosy avy any Nazareta dia nitsangana tamin'ny maty tokoa tamin'ny andro fahatelo aorian'ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana. Ao amin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] (na niseana) no ahitana indrindra izany tenim-pinoana izany.
 
Araka ireo [[Evanjely]], taorian'ny nanomboana an'i JososyJesosy araka ny didin'i Pontio Pilato, sy taorian'ny nahafatesany teo amin'ny [[Hazofijaliana|hazo fijaliana]], dia nalevina i Jesosy. Roa andro taorian'izany dia hitan'ireo vehivevy namangy ny fasana, indrindra i Maria Magdalena, fa nikodia niala ny vato nanidiana ny fasana izay lasa foana. Niseho tamin'ny mpianany maro i Jesosy taorian'izany, isan'izany ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]] (1).
 
Ankalazain'ny Kristiana izany fitsangan'i Jesosy tamin'ny maty izany amin'ny Alahadin'ny [[Paska]], izany hoe telo andro aorian'ny Zoma masina, izay ahatsiarovana ny nanomboana azy tamin'ny fazohazo fijaliana. Zava-dehibe amin'ny fanavotana izany fitsanganan-ko velona izany ho an'ny Kristiana.
 
== Ny olana ara-tantaran'ny fitsanganan-ko velona ==
Ny fitsanganan'i Jesosy ho velona dia tsy zava-nitranga azo hamarinina fa zavatra momba ny finoana; tsy azon'ny taranja tantara iasana izany (2). "mizara dia mizara mandrakariva ny mpanao heviteny ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Isan'ireo voalohany tamin'ny taonjato faha-18 izay niezaka nanaporofo ny fisian'ny hosoka nataon'ireo apostoly i Reimarus. (...) I David Strauss, izay nantaon'i Ernest Renan malaza tao Frantsa, dia nanao an'izany ho angano teraka ho azy tao amin'ireo fiangonana kristiana voalohany, indrindra noho ny hakiviana tsy nety nampiononina teo amin'ireo mpianatr'i Jesosy taorian'ny nahafatesany".
 
Hatramin'i Rudolf Bultmann (tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20) dia "fanao ny manavaka ny finoana ny Fitsanganana amin'ny maty, izay iheverana ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty ho zava-nitranga marina tokoa, amin'izay ara-tantara amin'ny heviny hentitra" (3). Tsy afaka hanan-kambara ny mpahay tantara ny amin'io resaka io na amin'ny fitsipahana izany na amin'ny fanohanana izany nefa afaka manamarina izy ireo fa nino ny mpianatr'i Jesosy fa "natsangan'Andriamanitra izy" (4).
 
Nihevitra ilay mpahay tantara Geza Vermes fa hevitra izay sady fototra no mahavariana ao amin'ny kristianisma ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Mihevitra izy fa eo anatrehan'ireo hevira roa mifangarika ireo, etsy an-kilany ny fahamarinan'ilay zava-nitranga azo tsapain-tanana ary etsy an-daniny ny fandavana izany tateraka indrindra, dia misy petra-kevitra maro azo heverina hanazavana ireo fijoroana vavolombelona ny amin'ilay Fitsanganan-ko velona, ka isan'izany ny fangalarana ny faty, ny fialana amin'ny hatoranana, ny fahitan-javatra tsy tena izy, na ny fitsanganan-ko velona atao hoe ara-panahy, izany hoe [[Doketisma|doketa]].
 
Mihevitra ilay teolojiana E. P. Sanders fa nisy tsikombakomba namporisika amin'ny finoana ny fitsanganan-ko velona izay mety nitarika tamin'ny fivoaran'ny tantara hirindra kokoa. Io petra-keviny io anefa tsy ahafahana manazava ny antony nahatonga ireo Kristiana voalohany hanaiky ho faty noho ny amin'ny zavatra izay fantany fa fitaka. I Helmut Koster kosa dia milaza fa tamin'ny voalohany ireo fitantarana ireo dia epifania nampandrosoina taty aoriana ka niteraka ny fijoroana ho vavolombelona ny amin'ny fitsanganan-ko velona araka ny ahalalantsika azy.
 
== Ilay fitsanganan-ko velona araka ny Testamenta Vaovao ==
Ny Epistolan'i Paoly, ny toriteny sy ny epistolan'i Petera ao amin'ny Asan'ny Apostoly dia mitantara fa maty novovoina i Jesosy nefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty; ary ireo Apostoly sy olona maro hafa, isan'izany ireo mpanohitra azy sasany, dia vavolombelona nanatri-maso ny nisehoan'i Jesosy taorian'ny nahafatesany. Ny Kristiana voalohany dia azo faritana ho ireo mpianatr'i Jesosy izay nankalaza azy ho ilay Tompo nitsangan-ko velona, taorian'ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana -.
 
Izao ny hevitr'i Raymond E. Brown: "ny lahatsoratra ao amin'ny Baiboly dia maneho fa [i Petera sy i Paoly] dia nitory an'i Jesosy izay nitsagana tamin'ny maty nefa ny nofony tsy lo tao am-pasana. Tsy misy ao amin'ny Testamenta Vovao manontolo na dia tendron-tsoratra iray manambara fa nisy Kristiana nihevitra fa mbola ao am-pasana ny vatan'i Jesosy ka lo. Izany no iheverako fa ny lahatsoratra ao amin'ny Baiboly dia manantitra mazava tsara ny fitsanganan-ko velona ara-batana" (6).
 
==== Araka ireo Epistolan'i Paoly ====
Ny loharano voalohany ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia hita ao amin'ireo [[taratasin'i Paoly]] izay voasoratra manodidina ireo taona 50 sy 60 (dia ny [[Epistola ho an'ny Romana]] sy ny [[Epistola ho an'ny Korintiana]]) ary koa'','' taty aoriana'','' ao amin'ny [[Epistola voalohany ho an'i Tomoty]] (na [[Epistola voalohany ho an'i Tomoty|Timote]]) izay isan'ireo [[Epistola pastoraly]].
 
Ao amin'ny Taratasy voalohany ho an'ny Korintiana dia milaza kerigma (fanambaràm-pinoana fototra) i Paoly'','' izay niely teo amin'ireo mpomba ny fitsanganan'ko velona'','' izay nanolotra singa fototra amin'ny fampianaram-pinoana krostiana:
 
"3 ''Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina'', 4 ''dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina''; 5 ''ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa''. 6 ''Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry''. 7 ''Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.''" (1Kor. 15.3-7).
 
Mifanaraka ny manampahaizana fa manoratra ny lovantsofina tamin'ireo taona 30 (7) i Paoly.
 
==== Loharano araka ny Filazantsara ====
Izao no voasoratra araka ny [[Evanjelin'i Marka]]:
 
"1 ''Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy''. 2 ''Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo''. 3 ''Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika?'' 4 ''Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.'' 5 ''Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy''. 6 ''Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy''." (Mar. 16. 1-6).
 
Io sombin-dahatsoratra vakintsika amin'izao dia natovana tamin'ny taonjato faha-5. Ara-pilaharan-potoana dia niseho tamin'ireo taona 80-90 ny fitantarana omena eto manaraka, izay nosoratana taorian'ny taratasin'i Paoly, izany hoe ilay hita ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]]:
 
"1 ''Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.'' 2 ''Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.'' 3 ''Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;'' 4 ''ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.'' 5 ''Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo''. 6 ''Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.'' (...) 9 ''Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany''. 10 ''Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy''." (Mat. 28.1-6; 9-10)
 
Izao koa ny voalaza ao amin'ny [[Evanjelin'i Lioka]]:
 
"1 ''Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny''. 2 ''Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo''. 4 ''Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra''. 5 ''Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?'' 6 ''Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:'' 7 ''Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo''. (...) 12 ''Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo''." (Lio. 24.1-7. 24.12)
 
Izao koa ny vosoratra ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]]:
 
"3 ''Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana''. 4 ''Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana''. 5 ''Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy''. 6 ''Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,'' 7 ''ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.'' 8 ''Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino''. 9 ''Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy. 10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.'' 11 ''Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana'' 12 ''ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra''. 13 ''Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy''. 14 ''Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy''." (Joa. 20.3-14).
 
== Ny fisehoan'i Jesosy nitsangan-ko velona ==
Araka ny filazan'i Simon Claude mimouni dia zavatra natovana taty aoriana ireo fotantarana momba ny fisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianany taorian'y fitsanganany tamin'ny maty. Tamin'ny taonjato faha-2 izany ny izany fanovonana izany. "Mahagaga ny fisiam-pahasamihafana ao amin'ireo fitantarana ny fisehoana, ka maneho izany fa lovantsofina maro no niavian'izy ireo" (8).
 
Nanoratra dimy ambin'ny folo taona talohan'ny nanoratana ny Evanjely i Paoly avy any Tarsisy. Ny taloha indrindra amin'ireo Evanjely ireo dia ny an'i Marka. Akoatry ny firesahany ny amin'ny nahitan'i Jakoba ily marina, rahalahin'i Jesosy, dia milaza koa i Paoly fa niseha amin'ny fotoana iray tamin'ny mpianatra miisa 500 koa i Jesosy. Araka ny Asan'ny Apostoly koa dia nisehoian'i Jesosy manokana teo akaikin'i Damaskosy (na Damasy) i Paoly taorian'ilay fitsanganan-ko velona.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Fahaterahan'i Jesoa|Fahaterahan'i Jesosy]]