Karemy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
Andalana faha-1:
Ny [[Karemy]] dia fotoana anaovana fifadian-kanina sy fieken-keloka izay tandreman'ny Kristiana ka maharitra efapolo andro ho fiomanana amin'ny [[Paka (fety)|Paka]] (na [[Paska]]). Tamin'ny taonjato faha-4 no nanombohan'ny Kristiana nanao fifadian-kanina amin'ny Karemy ka 40 andro no faharetan'izany fifadiana izany izay miedrika fanaovana sakafo faran'izay tsotra dia tsotra. Izany dia ahatsiarovana ny fifadian-kanina 40 nataon'i Jesoa Kristy tany an-tany efitra. Hamaivanina ny fifadian-kanina amin'ny Alahady sy amin'ny andron'ny andron'ny Andron'i Maria. Mifarana amin'ny fifadian-kanina hentitra kokoa sy fankalazana ny Karemy amin'ny Herinandro Masina.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-8:
=== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tatsinanana ===
Ao amin'ireo [[Fiangonana Tatsinanana|Fiangonana tatsinanana]] dia valo herinandro alohan'ny Paka ny faharetan'ny Karemy ka ny Asabotsy sy ny Alahady dia andro anaovana fety.
 
Araka an'i Alexabdre Schmemann, dia ara-panahy indrindraindrindra ny Karemy ka ny Paka no tanjony (5). Ny maha zava-dehibe sy ny fahenteran'ny Karemy ao amin'ny Fiangonana ortodoksa dia mifandanja amin'ny fanaovany ho zava-dehibe ny fetin'ny Paka (6). Amin'ny fetin'ny Paka tokoa no ivorian'ny mpino maro indrindra ao amin'ireo firenena manaraka ny fomba kristiana tatsinanana (ortodoksa sy katolika manaraka fomba bizanbtina); io indraindray no andro fety izay ahatongavan'ny olona maro, eny fa na dia ireo tsy dia marisika andavanandro. Latsa-danja ny andro Noely, tsy tahaka ny miseho any amin'ny firenena tendrefana manaraka ny fomba katolika romana.
 
Ialohavan'ny fotoana fiomanana atao hoe ''Karemy kely'' izay mifarana amin'ny karnavaly ny Karemy ao amin'ireo Foangonana tatsinanana manaraka fombam-pivavahana bizantina. Manomboka ampitson'ny Alahadin'ny karnavaly, izany hoe ny Alatsinainy madio (48 andro alohan'ny Paka), ny Karemy izay atao hoe ''Karemy Lehibe''.
 
=== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tandrefana ===
Ligne 14 ⟶ 18 :
==== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana katolika ====
Ny [[Fiangonana katolika romana]] dia tsy sarotiny ny amin'ny fifadian-kanina. Araka ny fanapahan-kevitry ny papa Paoly VI izay navoaka ho manan-kery tamin'ny taona 1966 dia tsy an-tery ny fanaovana fifadian-kanina sy fifadiana hafa mandritra ny Karemy afa-tsy amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny Zoma masina.
 
mampifady hanina ny mpivavaka amin'ny fomba maivana ny Fiangonana katolika amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny Zoma masina. Nefa amin'ny fampiharana dia sarotra refesina ny fifadian-kanina. Fanampoin'izany dia ny fihinana zavatra tsy matavy, izany hoe fifadiana hena sy sakafo misy tavin-kena, amin'ny Zoma dia mbola mitohy (7). Amin'ny Alarobian'ny Lavenona no anombohan'ny Karemy izay ialohavan'ny ''Talata matavy'' sy ny karnavaly (avy amin'ny teny latina hoe ''carnelevamen'' izay midika hoe "esorina ny hena"). Asaina manamarika ny Karemy amin'ny tsy fanaovana zavatra izay tiany, tsy voatery momba ny sakafo fotsiny, ny Katolika.
 
==== Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana protestanta ====
Ny fitandremana ny fifadian-kanina na ny fifadiana hafa rehetra mandritra ny Karemy dia miovaova ao amin'ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]], izay manao ho zava-dehibe ny fieken-keloka sy ny fibebahana.
 
Tsy asain'ny [[Fiangonana nohavaozina]] manao fivalozana na manao fifadian-kanina ny mpino ao aminy, fa ny manantitra ny fitorian-teny sy ny fadinihan-tena no ataony mandritra ny fari-potoan'ny Karemy. Raha indraindray mba manasa ny mpino ao aminy hifady hena ny [[Loteranisma|Fiangonana loterana]] amin'ny Zoma masina, ny Fiangonana protestanta nohavaozina dia tsy manolotra na inona na inona hataon'ny mpivavaka, satria, hoy izy ireo, tsy nametraka toromarika manokana ny amin'izany ny [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]].
 
Izany tsy fisianana fampijalian-tena na fieken-keloka izany dia avy amin'ny fiheverany ny amin'ny famonjena ([[soteriolojia]]) izay misy fahasamihafana amin'ny an'ny Katolika. Ho an'izy ireo dia ny finoana irery ihany (latina: ''sola fide'') no mahavonjy ka tsy ilaina ny hanatanterahana asa fivalozana mba hahazoana famonjena.
 
== Jereo koa: ==