Fanjakan' i Israely (mitambatra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdom of Israel 1020 map.svg|vignette|512x512px|Ny Fanjakan'i Israely mitambatra araka ny Baiboly hebreo mitantara ny vanimpotoana nanjakan'i Saoly sy i Davida (soratana mena ireo firenena resy)]]
Ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)]] na [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakana mitambatr'i Israely sy i Jodà]] dia fanjaka-mpanjaka naorin'ny Israelita tamin'ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan'ny [[mpitsaran'i Israely]] io fanjakana io ka i [[Saoly]] no mpanjaka voalohany nanapaka azy. Araka ny Boky voaolohan'i Samoela ao amin'ny Baiboly dia vokatry ny fanirian'ny [[Zanak'i Israely]] hanana mpanjaka sahala amin'ireo firenena hafa izay neken'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany [[Samoela]] no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8). Nivaky roa io fanjakana io taty aoriana ka ny avaratra dia ny [[Fanjakan'i Samaria]] fa ny atsimo kosa dia ny [[Fanjakan'i Jodà]]. Telo fotsiny ny mpanjaka nitondra an'io fabjakana io, dia i [[Saoly]] sy i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ary i [[Solomona]].
 
==== Ny fanjakan'i Saoly ====
Araka ny [[Baiboly]] dia isan'ny fokon'i Benjamina i [[Saoly]] na [[Saola]]. Tamin'ny taona 1020 tal. J.K. hatramin'ny taona 1010 tal. J.K. no nitondrany ny Fanjakan'i Israely mitambatra ka izy no voatendrin'Adriamanitra no mpanjakan'ny firenen'i Israely voalohany araka ny teny nampitondrainy ny mpaminany Samoela. Natambatr'i Saoly ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin'ny folon'i Israely]]. Ny fanafihana ara-miaramila no tena nimasoany ka ny [[Filistina]] no fahavalo malaza tamin'ireo nifanandrina taminy. Nahazo baiko avy amin'Andriamanitra ny hanapotika ny firenen'i Amaleka izy tamin'ny teny nentin'i Samoela nefa nitsimbina ny mpanjaka amalekita izy ka izany no nahatonga azy haongana tsy ho eo amin'ny fitondrana, araka ny didin'Andriamanitra. Nandimby azy i Davida tamin'ny nahafatesany.
 
==== Ny fanjakàn'i Davida ====