Fanjakan'i Jodà : Fahasamihafan'ny versiona roa

tsy misy ambangovangom-panovana
(Pejy momba ny tantaran'ny Jiosy)
 
Ny [[Fanjakan'i Jodà]] na [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan'i Joda]] na [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakana Atsimo]] dia fanjaka-mpanjaka tany [[Atsinanana-Akaiky]] taloha naorin'ny Israelita tamin'ny [[Andron'ny Vy]]. Araka ny [[Baiboly]] dia teo anelanelan'ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian'io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin'ny [[Fanjakan'i Samaria]] (na [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]]) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan'ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakan'i Israely izay mbola nitambatra]] izy sy ny Fanjakan'i Samaria taorian'ny nahafatesan'i [[Solomona]] ([[Salômôna]]). Taorian'ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan'ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravàn'ny Babiloniana izy tamin'ny andron'i Nebokadnetsara II tamin'ny ady nifanaovan'i Egiptiana sy ny Babiloniana. Roa fotsiny ny [[fokon'i Israely]] tafajanona tao amin'ny Fanjakan'i Jodà, dia ny fokon'i Jodà sy ny an'i Benjamina.
 
== Jereo koa: ==
21 137

modifications