Fanjakan' i Israely (Samaria): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Fanjaka'i Israely (Samaria) ho Fanjakan'i Israely (Samaria) i Thelezifor : Tsipelina diso
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] na [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Samaria]] na [[FanjakanaFanjakan'i AvaratraIsraely (IsraelySamaria)|Fanjakana Avaratra]] dia fanjakam-panjaka tao [[Atsinanana-Akaiky]] taloha izay naorin'ny Israelita tao amain'ny tapany avaratr'i [[Palestina]] tamin'ny [[Andron'ny Vy]]. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin'ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.). Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan'i Samaria na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin'ny Fanjakan'i Joda ao atsimo na ny Fanjakan'i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny [[Baiboly]] dia nandimby ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakan'i Israely mitambatra]] sy ny [[Fanjakan'i Jodà|an'i Jodà]] izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray. maro ireo tari-panjaka nifandimby nitodra tao amin'io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan'ny nisafidianan'i Jeroboama an'i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan'i Samaria i Omry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin'ny nanorenana azy ka hatramin'ny namaboan'ny Asiriana azy. Tsy tena tsara ny filazan'ny Baiboly ny amin'ilay fanjakana noho ny vahoaka nonina tao lazainy fa nanalavitra ny fampianaran'i [[Mosesy]] (na [[Môizy]]) tamin'ny [[Fanompoan-tsampy|fanompoan'izy ireo sampy]]. Lasan'ny Asiriana tamin'ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan'i Israely.
 
== Jereo koa: ==