Aarôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:MosesAaron and- AaronHenry beforeSchile Pharaohc.1874.jpg|vignette|316x316px|''I Mosesy sy i Arona eo anatrehanAarona''ny Farao,'' nataonnatain'i BenjaminHenry Schile, Westtaona1874]]
I [[Arona]] na [[Arona|Aharôna]] na [[Arona|Aarona]] dia olona resahina ao amin’ny [[Baiboly]], indrindra ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Bokin'ny Eksodosy|Bokin’ny Eksodosy]] sy ny [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]] ary ny [[Bokin'ny Nomery|Nomery]]. Nanampy an’i [[Mosesy]] (na [[Môizy]]) tamin’ny fanafahana ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]] tamin’ny fanadevozan’ny Egiptiana izy. Izy no mpisorombe voalohany ao amin’ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] sady mpanorina ny raharahan’ny mpisorona teo amin’ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]]. Nanan-janaka an’i Nadaba sy i Abiho sy i Eleazara ary i Itamara tamin’i Eliseba (na Elizabeta) vadiny izy. I Arona dia zanak’i Amrama sy i Iokebeda, izany hoe taranak’i [[Levy]]. Rahalahin’i Mosesy sy i Miriama izy. Atao hoe אַהֲרֹן / ''Aharone'' io anarana io amin’ny teny hebreo fa Ἀαρών / ''Aarôn'' kosa amin’ny teny grika.
 
Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy sy i Mosesy teo anatrehan’ny Egiptiana izy. Isan’izany fahagagana izany ny niovan’ny tehiny ho menarana teo anatrehan’ny [[Farao]]. Satria i Mosesy tsy havanana tamin’ny fitenenana dia izy no nanampy azy amin’ny fitondrana teny raha nifampiresaka tamin’ny Farao izy ireo ny amin’ny tokony hanafahana ny Zanak’i Israely amin’ny fanandevozana. I Arona sy i Mosesy no namoaka ny Zanak’i Israely avy tao Egipta.[[Sary:Moses and Aaron before Pharaoh.jpg|vignette|''I Mosesy sy i Arona eo anatrehan'ny Farao,'' nataon'i Benjamin West]]Navelan’i Mosesy tamin’i Arona ny Zanak’i Israely tamin’ny niakarany tany an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]] niaraka amin’i [[Josoa]] (na [[Jôsoe]]) mba haka ny vatofisaka nisy ny [[Didy Folo]]. Nefa i Arona, rehefa norahonan’ny vahoaka dia nanamboatra famantarana hita maso an’Andriamanitra, dia ny ombilahy kely volamena (Eks. 32.1-24) izay nahatezitra an’Andriamanitra taminy satria [[fanompoan-tsampy]] izany.
 
Navelan’i Mosesy tamin’i Arona ny Zanak’i Israely tamin’ny niakarany tany an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]] niaraka amin’i [[Josoa]] (na [[Jôsoe]]) mba haka ny vatofisaka nisy ny [[Didy Folo]]. Nefa i Arona, rehefa norahonan’ny vahoaka dia nanamboatra famantarana hita maso an’Andriamanitra, dia ny ombilahy kely volamena (Eks. 32.1-24) izay nahatezitra an’Andriamanitra taminy satria [[fanompoan-tsampy]] izany.
 
Araka ny Baiboly dia Arona no mpisorombe voalohany. Maty teo akainkin’ny sisin-tanin’i [[Kanaana (faritra)|Kanana]] i Arona tamin’ny faha-123 taonany satria tsy natoky ny herin’Andriamanitra. Nandimby azy avy eo i Eleazara zanany.