Aarôna: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
k Tsipelina sy rohy |
k Rohy |
||
Andalana faha-1:
[[Sary:Moses and Aaron before Pharaoh.jpg|vignette|''I Mosesy sy i Arona eo anatrehan'ny Farao,'' nataon'i Benjamin West]]
I
Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy sy i Mosesy teo anatrehan’ny Egiptiana izy. Isan’izany fahagagana izany ny niovan’ny tehiny ho menarana teo anatrehan’ny [[Farao]]. Satria i Mosesy tsy havanana tamin’ny fitenenana dia izy no nanampy azy amin’ny fitondrana teny raha nifampiresaka tamin’ny Farao izy ireo ny amin’ny tokony hanafahana ny Zanak’i Israely amin’ny fanandevozana. I Arona sy i Mosesy no namoaka ny Zanak’i Israely avy tao Egipta.
Navelan’i Mosesy tamin’i Arona ny Zanak’i Israely tamin’ny niakarany tany an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]] niaraka amin’i [[Josoa]] (na [[Jôsoe]]) mba haka ny vatofisaka nisy ny [[Didy Folo]]. Nefa i Arona, rehefa norahonan’ny vahoaka dia nanamboatra famantarana hita maso an’Andriamanitra, dia ny ombilahy kely volamena (Eks. 32.1-24) izay nahatezitra an’Andriamanitra taminy satria [[fanompoan-tsampy]] izany.
Araka ny Baiboly dia Arona no mpisorombe voalohany. Maty teo akainkin’ny sisin-tanin’i [[Kanaana (faritra)|Kanana]] i Arona tamin’ny faha-123 taonany satria tsy natoky ny herin’Andriamanitra. Nandimby azy avy eo i Eleazara zanany.
== Jreo koa: ==
* [[Levita]]
|