Fahotana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy
Andalana faha-1:
Ny [[fahotana]] dia fandikana an-tsitrapo na tsy an-tsitrapo ny didin'Andriamanitra ka heloka eo anatrehan'Andriamanitra izany. Ny fahotana dia mety ho ny tsy fanoavana, na ny fandavana na ny fisakanana ny [[famonjena]], na koamety ho ny anton'ny itrangan'ny fahafatesanan'ny fanahy. Mety hiseho amin'ny alalan'ny asa azo tsapain-tanana ny fahotana na koa amin'ny alalan'ny eritreritra manimba ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra.

Fahotana ny zavatra rehetra misakana ny fahatratrarana ny tanjona tsara tokony ho tratra araka ny fampianaran'ny fivavahana iray (mety ho ny [[famonjena]] izany tanjona izany na zavatra hafa). Tsy fahotana ny fandikana ny lalàna nataon'olombelona.
 
Ny olona tsy mino an'Andriamanitra dia tsy mino koa ny fisian'ny fahotana nefa tsy amin'ny fivavahana rehetra no ahitana ny atao hoe fahotana fa amin'ny sasantsasany ihany. Ny tontolon'ny [[Jodaisma|finoana jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[Finoana silamo|silamo]] no tena iresahana betsaka ny amin'ny fahotana.