Sinagôga: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[sinagoga]] dia trano fivavahan'ny [[Jiosy]] na ny [[Samaritana]] isan-toerana. Ny tena niandohan'ny sinagoga, izany hoe ny toerana fivorian'ny mpino izay tafasaraka tamin'ny fivavahana ao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]], dia mety tamin'ny ndron'ny mpaminany na tamin'ny andron'ireo mpianany (jereo ny ao amin'hy [[Bokin'i Isaia]] 8.16 sy ny manaraka). Tamin'ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagoga, nefa nihamasina niandalana izy<ref><small>Dominique Iogna-Prat et Gilles Veinstein, [http://rhr.revues.org/4220 "Lieux de culte, lieux saints dans le judaïsme, le christianisme et l’islam : Présentation"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Frhr.revues.org%2F4220 tahiry]], Revue de l’histoire des religions, <abbr>no</abbr> 4 | 2005.</small></ref>. Teraka niaraka tamin'ny asan'i [[Ezra]], amin'ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny [[jodaisma]] azy, ny sinagoga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagoga ka nahatonga ny teny hoe ''Sinagoga'' hanondro am-panoharana ny rafitry ny [[jodaisma]], izay mifanohitra amin'ny ''Fiangonana'' kristiana<ref><small>"[http://encyclopedia.jrank.org/SUS_TAV/SYNAGOGUE_avvaywyii_.html Synagogue]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fencyclopedia.jrank.org%2FSUS_TAV%2FSYNAGOGUE_avvaywyii_.html tahiry]], ''Encyclopædia Britannica'' (1911) (notsidihina 28 Aogositra 2007)</small></ref>.
 
Amin'ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagoga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny [[Torah|Bokin'ny Torah]]. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagoga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an'ny fandinihana (hebreo: ''בית מדרש'' / ''Beit midrash'' "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an'ny fivavahana fotsiny aza ny sinagoga tamin'ny voalohany dia nanjary toerana misy ny ''Talmud Torah'', izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an'ny zaza izany na ho an'ny olon-dehibe. Izany fanjakan'izany anjara asa vaovaon'ny sinagoga izany no nahatonga an'i Filo avy any Aleksandria<ref><small>Philo, Spec. 2.61–62</small></ref> sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin'ireo firenena askenazy miteny idishy izay manondro ny sinagoga amin'ny teny hoe ''didaskaleia'' na ''scuola'' na שול / ''shul'', izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagoga, nefa tsy amin'ny fomba ara-penitra, indrindra any amin'ireo faritra [[askenazy]].
 
Mampiasa ny teny hoe ''προσευχή'' / ''proseukhê'' ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao.