Bokin' i Hagay: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-2:
Ny '''Bokin’i Hagay''' na '''Bokin’i Akjea''' dia bokim-paminaniana ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Isan’reo atao hoe “mpaminany madinika” i [[Hagay]] na [[Hagay|Akjea]].
 
Ny boky dia fitambarana faminaniana efatra izay ampitain’i Hagay amin’i Zorobabela, governoran’ny faritanin’i Joda, sy amin’i Josoa mpisorom-be mandritra ny fanamboarana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema tamin’ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny mpaminany Hagay dia isan’ireo izay nanetsiketsika ny fahatongavan-tsain’ireo Jiosy nantsoina taorian’ny [[Fahababoana]] mba hanamboatra indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly ao Jerosalema]] tamin’ny taona 516 tal. J.K. Ao amin’ireo faminaniana ireo, i Hagay dia mamboraka ny faniriany ny amin'ny hahitany ny hahavitan’ny Tempoly haingana.
{{Testamenta Taloha}}
 
Andalana faha-12:
 
==== Tsy firaharahana ny fanamboarana ny Tempoly sy ny vokany ====
Ny faminanian’i Hagay dia niseho tamin’ny taona 520 tal. J.K., taona nampisy haintany sy tsy hafaliam-po teo amin’ireo mpisesitany avy any Babilona izay vao nody tao Jerosalema. Nanazava ny anton’izany loza izany ilay mpaminany: ny vahoaka dia tsy niraharaha ny fanorenana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] fa samy nanamboatra ny tranony avy. Namporisika an’i Zorobabela sy i Josoa mba hitaona indray ny vahoaka hanohy ny asa i Hagay (1.1-15).
 
==== Fampanantenana sy fankaherezana ====
Andalana faha-18:
 
==== Fanamelohana sy fitsarana ny Jentilisa ====
Nifarana amin'ny faminaniana roa niseho taty aoriana tamin'io taona io ihany ny Bokin'i Hagay. Ny voalohany (2.10-19) dia manontany ireo mpisorona ny amin’ny fahadiovana sy ny tsy fahadiovan’ny fivavahana atao ao amin’ny Tempoly, nohelohiny angamba ireo Samaritana izay manana fahazarana tsy madio sady nampanantena fahavokarana noho ny nahavitana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] faharoa. Ny faminaniana faharoa (2.20-23) dia manambara ny andron’ny Fitsarana izay handravana ny firenena jentilisa rehetra.
 
== Jereo koa: ==