Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-11:
Araka ny voalazan'ny [[Baiboly]] ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]] (Eks. 2.10) dia nataon'ny reniny nanangana azy hoe ''Mosheh'' ny anaran'ilay zaza vao teraka satria novonjeny avy tao anaty rano (''MeShTiHoW''). Ny dikan'ny hoe ''Mosesy'' araka ny Baiboly dia "nalaina tamin'ny rano". Avy amin'ny matoanteny hoe ''mashah'' izay midika hoe "maka", "misintona aty ivelany" na "mamoaka".
 
Ny Hebreo dia manao azy hoe ''מֹשֶׁה בן עמרם'' / ''Mosheh ben Amram'' izay midika hoe "Mosesy zanak'i Amrama" na מֹשֶׁה רַבֵּנוּ / ''Mosheh Rabbenu'' "Mosesy Mpampianatray".
 
=== Fiforonan-teny araka ny fikarohana ankehitriny ===
Andalana faha-49:
 
=== Ny Fanekem-pihavanana tao amin'ny tendrobohitra Sinay ===
Telo volana taorian'ny nivoahana an'i Egipta dia tonga tao amin'ny efitr'i Sinay ny Hebreo. Navelan'i Mosesy tamin'i Arona rahalahiny ny vahoaka mba hiakarany any an-[[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|tendrombohitra Sinay]]. Afaka efapolo andro vao niverina i Mosesy nitondra ny vato fisaka mirakitra ny [[Didy Folo]] nomen'Andriamanitra azy izay fototry ny Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Hebreo. (Eks. 20.1-17; Deo. 5.6-21). Hitan'i Mosesy fa tsy nino an'Andriamanitra ny vahoaka satria nanamboatra sarin'ombilahy kely volamena hivavahany. (Eks. 32.1-6). Tezitra noho izany i Mosesy ka nazerany ho vaky ireo vato fisaka nisy ny Didy Folo ireo sady nodorany ilay sarin'ombilahy. Nangataka amin'Andriamanitra i Mosesy mba tsy hamela ny vahoakany ka nohavaozina tany an-tendrombohitra indray ilay Fanekem-pihavanana. Nidina avy any i Mosesy rehefa afaka efapolo andro nitondra vato fisaka hafa misy ny Didy Folo (Eks. 34.1-28).
 
=== Tsy tafita tany Kanana i Mosesy ===