Fedrà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra kely
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[fedrà]] dia tantara na fanehoana na hevitra foronin'ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao na eo amin'ny fiarahamonina ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin'ny fiarahamonina araka ny anjara toeran'ny soatoavina fototra ao amin'ny fiarahamonina mitady ny fiombonana<ref><small>Alain Cabantous, ''Mythologies urbaines: Les villes entre histoire et imaginaire'', Presses universitaires de Rennes, 2015, p. 11.</small></ref>. Amin'ny alalan'ny lovatsofina am-bava no mampita azy amin'ny voalohany, izay manolotra fanazavana ny andrika fototra ao amin'ny tontolo sy ny fiarahamonina izay nanefy na nampita io fedrà io. Ny mpanoratra malagasy sasany dia mampiasa ny teny hoe ''angano''. Amin'ny ankapobeny dia fitantarana ahitana tandindona manazava ny niavian'izao tontolo izao sy ireo andriamanitra, ny famoronana ny biby sy ny olombelona; ny fiavian'ny lovantsofina sy ny fombafomba ary ny endrika sasany amin'ny asa ataon'ny olombelona<ref><small>"Mythologie", ''Microsoft Encata 2009''</small></ref>. Tantaram-panorenana ny fedrà ary ny firenena na ny vahoaka rehetra dia samy manana fedrà.
 
Hoy Razafintsalama raha miresaka ny amin' ny fedrà: "''ny fedrà dia tsy mikendry ny hitantara zava-nitranga tamin'ny toerana na vanim-potoana azo faritana'', fa ''maneho an'ohatra fa nisy hatrizay, mbola misy ary hisy hatrany ny fototra tsy azo hozongozonina iorenan'ny maha-olona ny olona, ny maha-lehilahy ny lehilahy ary ny maha-vehivavy ny vehivavy''; toraka izany ''ny fototra iorenan'ny rafi-oiarahapiaraha-monina sy ny fomba vaventy iakinan'ny fifandraisana mirindra eo amin'ny mpiara-belona''. Izany hoe, karazana ''teolojia ntaolo ny fedrà''"<ref><small>Razafintsalama, P. A., ''Taridalana ho enti-manadihady ny finoana sy ny fomba maladgasy'', Edisiôna Md Paoly, Antananarivo, 1998, p.20.</small></ref>.
 
== Ny teny hoe ''fedrà'' sy ny mitovy hevitra aminy ==