Ranavalona I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanampy kely
Andalana faha-1:
[[Sary:Ranavalona I.jpg|vignette|Ranavalona I]][[Ranavalona I]] (1788-1861) dia mpanjakavavy malagasy izay nanjaka tao amin'ny Fanjakan'i Madagasikara nanomboka tamin'ny taona 1828 hatramin'ny taona 1861, izay mpanidrahindra tanindrazana sady nanohitra ny fitsabahan'ny Eoropeana amin'ny raharaham-panjakany no nanandratra avo dia avo ny fanompoan-tsampy sy nanenjika fatratra ny [[Kristianisma ao Madagasikara|fivavahana kristiana]].
 
Tamin'ny taona 18261828, tamin'ny nahafatesan-d[[Radama I]] vadiny sady zanak'[[Andrianampoinimerina]], dia izy no niakatra teo amin'ny fitondranana tamin'ny 4 Aogositra 1829 ka niova anarana hoe Ranavalona na Ranavalo-ManjakaRanavalomanjaka fa tsy natao hoe Ramavo na Mavo na Rabodonandrianampoinimerina intsony. Tsy nana-janaka tamin-dRadama I izy nefa niteraka an-dRakoto (ilay lasa [[Radama II]]) efa ho iray taona mahery taorian'ny nahafatesam-badiny.
 
Satria noheveriny fa tia vazaha loatra sy tsy niraharaha firy ny fivavahan-drazana ary nanova ny lamim-piarahamonina nifandovan'ny mpanjaka nifandimby Radama I, dia nataony izay tsy hisian'ireo mpiara-miasa tamin-dRadama I ka nasandrany avo indray ny fanompoana ny sampin'ny mpanjaka. Tsy dia ny andriana loatra, araka izany, fa olon-tsotra no nianteherany hanatanjahany ny fahefany. Nihevitra izy fa fanitsakitsahana ny fiandrianany ny fanao sy hevitra nampidirin'ireo misionera nitory ny Filazantsara teo amin'ny fanjakany satria sady nitory ny haratsian'ny fanompoan-tsampy no nampianatra ny fitovian'ny olombelona rehetra ka mifanohitra amin'ny fomba nolovana hatramin'izay, dia ny fisian'ny saranga samihafa, indridra ny fisian'ny fanandevozana. Hoy izy: "''Ny fomban-drazako tsy mba mahamenatra ahy na mampatahotra ahy !"''. Tsy azo nomena fampianarana noho izany ny andevo nanomboka tamin'ny taona 1832 nanomboka nihamafy koa ny fanenjehana ny Kristiana ka nisy ny novovoina ary maro no nandao ny fonenany.