Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra: ny vadiny
Andalana faha-1:
[[Sary:Andrianampoinimerina.jpg|Andrianampoinimerina|287x287px|right|thumb]][[Andrianampoinimerina]] dia mpanjaka malagasy tao Imerina izay nanjaka tamin'ny taona 1787 hatramin'ny taona 1810. Andriamiharamanjaka no anaran-drainy ary Ranavalonandriambelomasina no anaran-dreniny. Nanambady maro izy ka isan'izany Rabodonimerina, [[Rasendrasoa|Rasendrasoa,]] Rambolamasoandro ary i [[Miangaly]]. Tsy fantatra marina ny fotoana nahaterahany fa ny nahafatesany dia tamin'ny taona 1810. [[Radama I]] zanany no nandimby azy.
 
== Ny nahaterahan’Andrianampoinimerina ==
Andalana faha-7:
 
==== Ny reniny ====
Saingy, fony [[Andriambelomasina]] (1730-1760) no nanjaka teo Ambohimanga, dia nisy fifanatonana teo amin’ny fanjakany sy ny fanjakan’Anjozorobe izay marihina fa tsy isan’ny fanjakana merina sy nanana an’Andriamiharamanjaka ho mpanjakany. Tamin'ireo zanany ampolony maro dia akaikin'ny fon'Andriambelomasina kokoa Andrianjafy zanany lahimatoa sy Ranavalonandriambelomasina zanany vavy matoa. Koa nomen'Andriambelomasina ho vadin’Andriamiharamanjaka i Ranavalonandriambelomasina mba hitandrovana ny fahalemana amin’ny fanjakana roa tonta ary hiantrehana ny ady amin’ny fanjakan’Imerinatsimo sy Ambohidratrimo. Vadikely anefa i Ranavalonandriambelomasina satria Andriamiharamanjaka efa nanana vadibe talohan’izany.
 
==== Ny fahaterahany ====
Nanaraka sy nitoetra tamin’Andriamiharamanjaka vadiny tany Anjozorobe i Ranavalonandriambelomasina ary nitoe-jaza taminy. Rehefa akaiky ny andro hahaterahany dia nananainga Ranavalonandriambelomasina hiteraka any amin’ny raiamandreniny eny Ambohimanga. Saingy teny andalana, raha mbola tsy tafavoaka ny fanjakan’Andriamiharamanjaka akory dia nihetsi-jaza Ranavalonandriambelomasina ary niteraka teo andalana. Ikaloy no niantsoana io toerana niterahany io ary Andrianampoinimerina ilay zaza naterany. Arak’izany, Andriamiharamanjaka mpanjakan’Anjozorobe no rain’Andrianampoinimerina. Manila zanak’Anjozorobe avy amin’ny rainy ary manila merina avy amin’ny reniny Andrianampoinimerina fa tsy merina madio akory. Marihina anefa fa Andriamiharamanjaka dia manila ihany koa satria isan'ireo razambeny sy razan'andriana nanjaka tamin'ny faritr'Anjozorobe dia ireo Andriamamilaza sy Andriandoriamanjaka izay samy niainga avy eo Ambohidrabiby ary taranaky Rabiby no niverina nankany Anjozorobe.
 
Manodidina ny taona 1720 – 17301720–1730 ny taona nahaterahan’Andrianampoinimerina satria i Mayeur, frantsay nivahiny tao amin’ny fanjakan’Andratsay ny taona 1777, dia nirakitra tamin’ny diariny ny filazan’ny olona nohadihadiany fa Andrianampoinimerina mpanjakan’Ambohimanga dia antidahy. Raha apetraka ary fa efa antidahy Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777 nanoratan’i Mayeur dia efa mahatratra 50 taona farafahakeliny i Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777. Vava Alahamady amin’ny volana [[Alahamady]] kosa no voalazan’ny lovantsofina fa andro nahaterahany.
 
== Ny endriny sy ny toebatany ==