Ranavalona III: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantaran'i Madagasikara
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy votoatiny
Andalana faha-1:
[[Sary:Queen Ranavalona III, Antananarivo, Madagascar, ca. 1890-1895 grayscale cropped.jpg|vignette|Ranavalona III]][[Ranavalona III]] dia mpanjakavavy malagasy izay nanjaka tao amin'hy Fanjakan'i Madagasikara tamin'ny taona 1883 hatramin'ny taona 1897. Izy no mpanjaka farany tao amin'izany fanjakana izany. Vao 21 taona monja izy tamin'ny taona 1883 raha nandray ny fitondrana tamin'ny nahafatesan-dRanavalona II. Razafindrahety no anarany fahazaza ary ny praiminisitra [[Rainilaiarivony|Rainilaiarivoly]] no vadiny.
 
Na dia niady mafy ny tsy hiankina na tamin'ny Frantsay na tamin'ny Britanika aza izy dia nanao sonia ny fifanarahana tao Toamasina tamin'ny taona 1885 izay nahatonga an'i Madagasikara hiankina ara-toekarena tamin'i Frantsa. Nitady fanampiana tamin'i Etazonia sy Britaina Lehibe izy taty aoriana mba hialany amin'i Frantsa nefa tsy tanteraka ny faniriany noho ity firenena ity nifanaiky tamin'ny Frantsay tamin'ny taona 1890 fa hamela an'i Madagasikara ka haka an'i [[Zanzibar|Zanzibara]].
 
Niharihary ny tsy faneken-dRanavalona III ny ho eo ambany fifehezan'ny Frantsay ka tamin'ny taona 1895 ny tafika frantsay notarihin'i jeneraly Duchesne dia naka an'Antananarivo. Izany fidiran'ny Frantsay an-keriny izany dia niteraka korontana eran'ny Nosy nefa nanaiky ny ho ambany fiarovan'i Frantsa ny fanjakan-dRanavalona III tamin'ny farany, tamin'ny taona 1896.
 
Naongan'ny Frantsay tamin'ny fitondrany Ranavalona III tamin'ny taona 1897 nahatongavan'ny jeneraly Galiéni teto Madagadikara ka natao sesitany tany [[La Réunion]] avy eo tany [[Aljeria]] noho ny raharaha ''Menalamba'' izay fihetseham-bahoaka nanoheran'ny Malagasy ny fanjanahan-tany. Maty tany an-tsesitany i Ranavalona III tamin'ny taona 1917. Lasa zanatany frantsay tanteraka amin'izay i Madagasikara.
 
== Jereo koa: ==