Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Fotopampianarana sy Fanekempihavanana|''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'']] dia iray amin'ny boky masin'ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Adro Farany]] manampy ny [[Baiboly]] sy ny [[Bokin'i Môrmôna|''Bokin'i Môrmôna'']] ary ny [[Voahangy Lafo Vidy|''Voahangy Lafo Vidy'']]. Atao hoe ''Doctrine and Covenants'' izy amin'ny teny anglisy. Amin'ireo Olomasin'ny Andro Farany dia fanangonana fanambaràna vokatry ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra io boky io izay natao hametrahana sy hitantanana ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] ety an-tany amin'ny Andro Farany.
 
Amin'ireo Olomasin'ny Andro Farany dia fanangonana fanambaràna vokatry ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra io boky io izay natao hametrahana sy ny hitantanana ny Fanjakan'Andriamanitra ety an-tany amin'ny Andro Farany.
 
Araka ny fampianarana dia azo tamin'ny alalan'i [[Joseph Smith]], mpaminany sy filoha voalohan'ny Olomasin'ny Andro Farany, ny ankabeazan'ireo fanambaràna ireo. Misy ny fanampin'ireo fanambaràna ireo izay nampidirin'ny mpadimby toerana azy teo amin'ny fitondrana ny fiangonana taty aoriana.
 
Ny ''Fotopampianarana sy Fanekempihavanana'' dia manana ny anjara toerany manokana tsy itoviany amin'ireo boky masina hafa ampiasain'ny Olomasin'ny Andro Farany amin'ny tsy maha fandikan-tenina soratra taloha azy, fa nosoratana tamin'ny vanimpotoan'izao Andro Vaovao izao sady fanomezan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo mpaminany izay voafidin'Andriamanitra mba [[Restaorasionisma|hamerina amin'ny laoniny]] indray ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany amin'izao andro diavintsika izao. Ny hampiomana amin'ny Fihavian'i Kristy fanindroany ety an-tany sady hanatanteraka ny tenin'ireo mpaminany tany aloha be no tanjon'io boky io.