Fitsarana farany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-72:
 
=== Fivoasan'ny Jiosy ireo zavatra voasoratra ireo ===
Tsy mitovy ny fampianaran'ny Jiosy ny amin'ny andro fitsarana. Ny andron'ny fitsarana dia efa tanteraka isan-taona amin'ny Rosh Hashanah (heb: רֹאשׁ הַשָּׁנָה)<ref><small>Ny ''Rosh Hashana''h (heb: רֹאשׁ הַשָּׁנָה) dia fety ankalazana ny taom-baovao jiosy sady andro fitsarana sady iandrasana famekan-keloha aorin'ny fibebahanaka. Ankalazaina isan-taona izany mandritra ny roa andro voalohany amin'ny volana ''tishri'' amin'ny [[Tetiandro hebreo|tetiadnro hebreo]].</small></ref>'','' hoy ny sasany'','' ka ny finoana ny amin'ny hisian'ny andro farany hitsarana ny olombelona rehetra dia zavatra tsy marina. Miteny ny mpampianatra (raby) sasany fa hiseho aorian'ny fitsangann'ny maty ho velona izany. Ny sasany koa mampianatra fa izany fitsarana izany dia misaho amin'ny andro ahafatesana. Ny hafa indray dia manazava fa izany fitsarana izany dia tsy hihatra amin'ny Jiosy fa amin'ny Jentilisa (hebreo: גויים / ''goyim'') ihany<ref><small>"Will there be trial and judgment after the Resurrection?". ''Will there be trial and judgment after the Resurrection? It isnt True I guess because Islam is the main religion and Allah will Punish the disbelievers''. Askmoses.com.</small></ref>.
 
== Ny fitsarana farany araka ny kristianisma ==
Andalana faha-78:
 
=== Ny fitsarana farany araka ny Testamenta Vaovao ===
Tsy ny [[Apokalipsan'i Joany|Apokalipsin'i Joany]] ihany no miresaka ny zavatra hitranga any amin'ny fiafaran'izao rehetra izao, indrindra ny hiafaran'ny olombelona, fa miresaka izany koa ny [[evanjely]] sy ny [[epistily]] ao amin'ny Testamenta Vovao. Ny fanasarahana ny mpino mahatoky sy ny tsy mino dia oharin'i Jesosy amin'ny fanasarahana ny ''ondry sy ny osy,'' araka ny hita ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat.25.31–36). Ny fidirana any amin'ny ''[[Fanjakan'ny Lanitra'']] no valisoan'ny mpino mahatoky hatramin'ny farany. Oharin'i Jesosy amin'ny ''vavahady tery'' izany fidirana any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra izany araka ny hita ao amin'io evnlely io ihany (Mat. 7:13–23). Fa ny tena miteny mivantana ny amin'ny fitsarana farany dia ny [[Apokalipsin'i Joany]] (Apok. 20.11–12) izay manamafy ny voalaza ao amin'ireo bokin'ny Testamanta Taloha, indrindra ny ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] sy ny [[Bokin'i Isaia]].
 
==== Ny Evanjelin'i Matio ====