Fitsarana farany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nandamina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nandamina
Andalana faha-77:
Noraisin'ny Kristiana ho boky masiny koa ny [[Tanakh]] izay novany anarana hoe [[Testamenta Taloha]] nefa ny [[Testamenta Vaovao]] no heveriny fa manazava bebe kokoa ny hevitr'ireo soratra ao amin'ny Baiboly jiosy ireo. Na dia izany aza dia tsy mitovy hevitra ny fivavahana kristiana rehetra ny amin'ny fomba hitsarana ny olombelona any amin'ny farany, indrindra ny amin'ny fotoana hisehoan'ny fitsarana sy ny hanjo ny olombelona tsirairay.
 
=== Ny andron'ny fitsarana farany araka ny Testamenta Vaovao ===
Tsy ny [[Apokalipsan'i Joany|Apokalipsin'i Joany]] ihany no miresaka ny zavatra hitranga any amin'ny fiafaran'izao rehetra izao, indrindra ny hiafaran'ny olombelona, fa miresaka izany koa ny [[evanjely]] sy ny [[epistily]] ao amin'ny Testamenta Vovao. Ny fanasarahana ny mpino mahatoky sy ny tsy mino dia oharin'i Jesosy amin'ny fanasarahana ny ''ondry sy ny osy,'' araka ny hita ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat.25.31–36). Ny fidirana any amin'ny ''Fanjakan'ny Lanitra'' no valisoan'ny mpino mahatoky hatramin'ny farany. Oharin'i Jesosy amin'ny ''vavahady tery'' izany fidirana any amin'ny Fanjakan'ny Lanitra izany araka ny hita ao amin'io evnlely io ihany (Mat. 7:13–23). Fa ny tena miteny mivantana ny amin'ny fitsarana farany dia ny [[Apokalipsin'i Joany]] (Apok. 20.11–12) izay manamafy ny voalaza ao amin'ireo bokin'ny Testamanta Taloha, indrindra ny ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] sy ny [[Bokin'i Isaia]].