Pentateoka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
Ireto avy ireo boky ao amin'ny Pentateoka: ny ''[[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]'' na ''Jenezy'', ny ''[[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]'' na ''Eksaody'', ny ''[[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]'' na ''Levitika'', ny ''[[Bokin'ny Nomery|Nomery]]'', ary ny ''[[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]]'' na ''Deoteronomy''.
 
=== Ny Bokin'ny Genesisy na Jenezy ===
Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na [[Jenezy]]). Mitantara ny amin'ny safodrano lehibe tamin'ny andron'i [[Noa]] izay vokatry ny fahotana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny [[Tilikambon'i Babela]]. Miresaka momba ireo Raiben'ny Israely toa an'i [[Abrahama]] sy i [[Isaka (Hebreo)|Isaka]] sy i [[Jakoba]] ary i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] koa io boky io. Ny lovan-tsofina dia milaza fa i [[Mosesy]] na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy.
 
=== Ny Bokin'ny Eksodosy na Eksaody ===
Mitantara ny fanafahana ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany amin'ny tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay ny [[Bokin'ny Eksodosy]] (na [[Eksaody]]). Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
 
=== Ny Bokin'ny Levitikosy na Levitika ===
Miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoampivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i [[Levy (zanak'i Jakoba)|Levy]] ny [[Bokin'ny Levitikosy]] (na [[Levitika (boky)|Levitika]]).
 
Andalana faha-19:
Manohy ny tantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy momba ny dian'ny Israelita namakivaky ny tany efitr'i Sinay notarihin'i [[Mosesy]] na Môizy hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanana ny [[Bokin'ny Nomery]].
 
=== Ny Bokin'ny Deoteronomia na Deoteronomy ===
Manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksodosy, Levitikosy, Nomery) ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (na [[Deoteronomy]]).