Bahaisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy ny tantara
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra: nanohy ny tantara
Andalana faha-5:
 
== Tantaran'ny finoana bahay ==
manaraka ny fizotry ny tanaran'ireo mpitarika ara-panahy azy ny tantaran'ny finoana bahay, ka manomboka tamin'ny takarivan'ny 22 Mey 1844 izany araka ny fanapahan-kevitry ny Bāb tao [[Shiraz]] ao Iràna sady miorina amin'ny fototra ara-pitantantanan-draharaha napetrak'ireo olo-malaza ara-tantaran'ny finoana. Tao amin'ny fanjakana iraniana sy otomàna foana ny fikambanana bahay ka tsy niova izany raha tsy tamin'ny nahafatesan'i Bahāʾ-Allāh tamin'ny taona 1892. Nivoatra tao Eoropa sy tany Amerika Avaratra ilay fivavahana tamin'ny andron'i ʿAbd-al-Bahāʾ zanak'i Bahāʾ-Allāh, ary nihamafy orina tao Iràna izay toerana mbola izakany fanenjehana mafy ankehitriny. Tamin'ny nahafatesan'i ʿAbd-al-Bahāʾtamin'ny taona 1921 dia niditra tamin'ny dingana vaovao ny fitarihana ara-panahy ny fikambanana, ka nivoatra avy amin'ny fitarihan'olon-tokana ho amin'ny fandaminam-pandraharahana izay ahitana andry voafidyolom-boafidy sy olom-boatendry.
 
=== Ny Bāb ===
[[Sary:TerracesBenGurion2.jpg|vignette|293x293px|Maozolean'ny Bāb eo amin'ny tendrombonitra Karmela ao Haifa any Israely.]]
Tamin'ny fiantombohan'ireo taona 1790 tao Iràna dia teraka ny fikambanana shiita tia zava-miafina sy mihambo ho manam-pifandraisana mivantana amin'Andriamanitra notarihin'i Šayḫ Aḥmad Aḥsāʾī. Ny mpianany, atao hoe ''shaykhi'', dia nanorina ny fampianarany tamin'ny lafiny metafizikan'ny shiisma sady nitsikera ny fiankinan'ny mpitondra fivavahana maro anisa tafahoatra amin'ny lalàna.
 
Ligne 14 ⟶ 15 :
Rehefa tonga tany i Mullā Ḥusayn tamin'ny 22 Mey 1844 dia noraisin'ny mponina izay nanasa azy hiantra ao aminy. Rehafa avy nanontany ny anto-dian'ny vahiny izany olona izany dia nilaza ny tenany ho ilay olona tadiavin'i Mullā Ḥusayn. I Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī dia mpivarotra tao Shiraz izay 25 taona ka nilaza fa ny fisehoana vaovaon'Andriamanitra sady ilay Mahdi nandrasana hatrizay (na ''Qāʾim'').
 
Nitondra ny anatram-bob inahitra hoe ''Bāb'' (باب ) izay midika hoe "varavarana" izy (izany hoe varavarana idirana mankany amin'ny faham)rinana, ary norifirinnortfirin'ny manampahefana tao Iràna ka maty, araka ny faneren'ireo mpitondra fivavahana shiita, enin-taona taty aoriana tao [[Tabriz]].
 
I Mullā Ḥusayn no mpianatry ny Bāb voalohany. Tao anaty fotoana fohy dia niampy fito ambin'ny foolofolo izany (ka ny iray aminy dia vahivavy atao hoa Tahira). Treraka tamin'izany fotoana izany ny babisma. Ireo mpianatra valo ambin'ny folo volohany ireo no fantatra hatrami'izay ao amin'ny babisma hoe "Taratasin'ilay Velona" na "Soratr'ilay Velona". Ny votoatin'ny hafatry ny Bāb dia ny fahantomotry ny fahatongavan' "Ilay hataon'Andriamanitra miseho" ("Ilay hasehon'Andriamanitra" (''man yuẓhiruh Allāh''), ilay nampanantenaina tao amin'ny fanambaràn'ireo fivavahana tany aloha. Isan'ny mpianatry ny Bāb i Bahāʾ-Allāh mpanorina ny finoana bahay ka nanambara ny tenany ho ny fahatanterahan'ny faminanian'ny Bāb.
 
=== I Bahāʾ-Allāh ===
Ny mpanorina ny finoana bahay, i Mīrzā Ḥusayn-ʿAlī Nūrī, dia teraka tao amin'ny faritanfaritanin'i Mazanderan any Iràna tamin'ny 12 Novambra 1817 tao amin'ny fianakavian'andriana iray. Niasa tao amin'ny governoran'ny shah ao Iràna ny rainy. Rehefa maty ny rainy dia saika hatao mpandimby azy ao amin'ny lapan'ny mpanjaka i Mīrzā Ḥusayn-ʿAlī Nūrī. Tsy nanaiky anefa izy mba hahafahany manokana ny fotoany amin'ny fanampiana ny olona ianjadian'ny tsindrihazolena sy ny marary ary ny mahantra, sady hiaro ny rariny. Nikambana tamin'ny babisma <ref><small>Ny babisma dia fikambanana na firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin'ny sampana shiita izay manao fampianarana mihanohitra amin'ny finoana silamo be mpanaraka amin'ny fanambaran'ny mpamorona azy, ny Bāb, fa fisehoan'Andriavanitra avokoa ny mpaminanany rehetra ary mitovy amin'i mohamady izy. Faniratsirana ny finoana silamo izany amin'ireo miozolmana satria amin'izy ireo dia i mohavady no mpaminany farany sady lehibe indrindra.</small></ref> izy tamin'ny faha-30 taonany. Tamin'ny taona 1852 dia nosamborina izy ka sy nasesitany tany Bagdad izay niankina taminytamin'ny fanjakana otomàna.
 
Afaka 10 taona tany an-tsesitany tao Bagdada izy, tamin'ny faha-12 andron'ny fankalazana ny "fetin'ny Riḍvān<ref><small>Ny Riḍvān no fety lehibe indrindra ao amin'ny tetiandro bahay izay maharitra 12 andro. Izany fety izany dia atao ho fahatsiarovana an'i Bahāʾ-Allāh. Ny teny hoe ''riḍvān'' dia midika hoe "paradisa" ka mampahatsiahy ny zaridainan'i Ridván teo akaikin'i Bagdad izay nitoeran'i Bahāʾ-Allāh taorian'ny fanaovan'ny Fanjakana otomàna sesitany azy tany Bagdad .</small></ref>, izay nanomboka tamin'ny 22 Avrily hatramin'ny 303 Mey 1863, dia nilaza tamin'ny manodidina azy fa izy no ilay nambara fa ho tonga, araka ny filazà'ny Bāb mialoha, dia ilay "fisehoana" fara tampon'Andriamanitra izay nadrasan'ireo fiangonana[[Monoteisma|fivavahana monoteista]] sasany. Nanomboka nahangona mpianatra izy, sady nanana eritreritra ny hanorina fivavahana ho an'ny olona rehatrarehetra eran-tany, izay hisehon'ny fahatanterahana tonga lafatratongalafatra amin'ny fivavahana rehetra izay nisy haramin'izay" sady ho vato fehizoronvatofehizoron'ny fanjakan'ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana sy ny fahafahana ary ny olombelona eto an-tany. Voatery nandao an'i Bagdad izyi Bahāʾ-Allāh ka nankany Konstantinopoly, avy eo nankany Edirne (any Torkia amin'izao) tamin'ny taona 1864 ary farany tany Acre (ao Israely amin'izao fotoana izao), avy eo tao amin'ny vilayet tao [[Damaskosy|Damasy]] na [[Damaskosy]] (ao [[Siria]] akehitriny).
 
Nananao ny toriteniny tamin'ny alalan'ny fanoratana boky i Bahāʾ-Allāh ka ny tena manan-danja indrindra amin'izany dia nosoratany tao amin'ny fonjan'i Acre, dia ny ''Kitāb-i Aqdas'' ("Boky masinaMasina indrindra"). Tao Edirne tamin'ny taona 1868 dia nandefa ny hafatra voasoratra ho an'ireo mpitondra malaza tamin'ny androny izy, isan'izany ny shah tao Iràna, ny tsar Alexadre II tao Rosia, ny mpanjakavavy Victoria tany Anglereta, ny emperora Guillaume I, i Npoléon III ary ny papa Pio IX, izay namporisihiny hanisy fetrahametra ny fitaovam-piadiany sy hanao izay hahatanteraka ny fandriampahalemana ho an'ny rehetra sady maharitra ary mahenika an'izao tontolo izao.
 
Tany an-tsesitany nasy tany am-ponja no nandanian'i Bahāʾ-Allāh ny efapolo taona farany niainany. Tamin'ny volana Aogositra 1868 hatramin'ny 1877 izy dia nohidiana tao amin'ny tanàna torka fanidiana voafonja tao Acre akaikin'i Haifa izy. Avy eo dia nonina tao ivelan'izany tanàna izany tany ambanivohitra izy, tao amin'ny trano antitra tao Bahjī, izay nahafatesany sy nandevanana azy tamin'ny 29 Mey 1892. Ao no toeran'ny ''qibla''<ref><small>Ny ''qibla'' (قبلة) izay midika hoe "zotra" na "fitodika" dia ny toerana tandrifin'ny fitodihan'ny mpino raha manatanteraka ny vavaka tsy maintsy atao (arabo: صلاة / ''ṣalāh'').</small></ref> ho an'ny mpino bahay, toerana itodihan'ny Bahay rehefa manao ny vavaka tsy maintsy atao (''ṣalāt'').
 
=== I ʿAbd-al-Bahāʾ ===
Taorian'ny nahahatesan'i Bahāʾ-Allāh dia nifindranafindra tamin'ny lahimatoany atao hoe ʿAbbās Effendi (1844-1921) ny fitantanana ny fikambanana bahay. Teraka tao Teheràna i ʿAbbās Effendi ary nambara fa ''ʿAbd-al-Bahāʾ'' ("andevoAndevo miasa ho an'ny famirapiratan'Andriamanitra").
 
Nomena ny anarana hoe "ivonIvon'ny Fanekem-pihavanana" sy "lohanLohan'ny Finoana" izy, afaka manazava ny hafatra nentin'ny rainydrainy, izay nanendry azy ho hany tokana mpanazava manam-pahefana amin'ny asasorany<ref><small>Alessandro Bausani et Denis MacEoin, [http://www.iranicaonline.org/articles/abd-al-baha « ʿAbd-al-Bahāʾ »], ''Encyclopædia Iranica'', Costa Mesa, Mazda, <abbr>vol.</abbr> 1,‎ 1982 (5[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.iranicaonline.org%2Farticles%2Fabd-al-baha tahiry])</small></ref>.
 
Niaritra ny fanaovan-tsesitany sy ny famonjana tahaka an-drainy koa izy. Nogadraina izy ka tsy tapitra izany raha tsy tamin'ny taona 1908, fotoana nanafahan'ny Tanora-Torka azy<ref><small>Ny Tanora Torka dia antoko politika mpanidrahidra firenena sy revolosionera sady mpitondra fanavaozana teo amin'ny fanjakana otomàna. Nanongana ny mpanjaka farany tao, atao hoe ''`Abdü'l-Ḥamīd.''</small></ref>. Avy eo dia nanoria ny renivojitryrenivohitry ny fikambanana bahay tao Haifa (ao Isrely) izy araka ny toromariky ny rainy.
 
Nandao ny Tany masinaMasina izy tamin'ny volana Aogositra 1911 dia nadeha tany Eoropa ka nivahiny tao nandrita ny efa-bolana, indrindra tao Londra sy Parisy. Nihaona tamin'ny mpino bahay tandrefana izy ka nanao valandresaka momba ny finoana bahay sy ny foto-dalànanydalàny. Tamin'ny lohataona 1912 i ʿAbd-al-Bahāʾ dia nanao dia lava nandritra ny iray taona indray tany Eoropa sy tany Etazonia ary anytany Kanada. Nanampy azy amin'ny fampielezana ny finoana bahay tany Andrefana izany ka niteraka fandrosoana lehibe, indrindra tany India sy Etazonia ary Eoropa.
 
Nodimandry tao Haifa izyi ʿAbd-al-Bahāʾ tamin'ny 28 Novambra 1921, taorian'ny nanedreny ny zafikeliny, dia i Shoghi Effendi (1897-1957), ho moandimbympandimby azy eo amin'ny asan'ny mpiambinaMpiambina ny finoana bahay. Nalevina tao aminy maozolean'ny Bāb eo amin'ny tendrombohitra Karmela (Carmel) ao Haifa izy ka ao hatraminizao, mandra-piandrin'ny fanamboaranapanamboarana ny maozolea natokana ho azy manokana.
 
=== I Shoghi Effendi Rabbānī ===
Ny zafikeliny, Shoghi Effendi Rabbānī (1897-1957), no nandimby an'i ʿAbd-al-Bahāʾ tamin'ny fitarihana ny fikambanana bahay. Nateraky ny vavimatoan'i ʿAbd-al-Bahāʾ izy ary nomena ny anaram-boninahtra hoe ''Walīy-i amr Allāh'' ("Mpiambina ny raharahan'Andriamanitra). Nobeazina tany Oxford izy ka afaka nandika amin'ny teny anglisy ny asasoratra manan-danja indrindra ao amin'ny finoana bahay sady nampivoatra ny Lamim-pandraharahana bahay.
 
Noho ny fanetsehany sy ny fitarihany nampian'ireo mpianatra sangany mitondra ny anarana hoe "Tanan'ny Raharahan'Andriamanitra", dia nanomboka ny "Kroazady folo taona" (''ǧihād'') tamin'ny taona 1953 ka tsy nifarana raha tsy tamin'ny taona 1963. Izany "Kroazady" izany dia nahatonga ny finoana bahay ho hita amin'ny firenena manerana an'izao tontolo izao. Teo anelanelan'ny fanendrena azy tamin'ny taona 1921 sy ny nahafatesany tamin'ny taona 1957 dia 100000 tonga 400000 any ho any ny isan'ny mpino bahay, ary ny firenena nisy azy ireo dia 35 tonga 250 any ho any. Nahatsangana Antenimieram-pirenena ara-panahy enina vaovao izy, izay nanovona ireo efa nisy tao Iràna sy tao Etazonia.
 
Taorian'ny nahafatesany tampoka tamin'ny 4 Novambra 1957, tao anaty toe-javatra tsy nahafahana nanendry ny ho mpandimby azy, dia fitarihana iombonana nahitana olona sivy voafidy tamin'ireo "Tanan'ny Raharaha" no nandray an-tanana ny fitondrana ny fikambanana mandra-pahatongan'ny taona 1963 nifidiana ny Tranon'Izao Tontolo Izao ho an'ny Fahamarinana, izay tsy inona fa Filankevitra faratampon'ny fikambanana natao hisahana ny fitantanan-draharaha fa tsy natao ho mpitondra fivavahana.
 
=== Ny fitantanan-draharaha bahay ===
Ny tahirin-kevitra fototra ho an'ny fitantanan-draharaha bahay dia ny ''Kitāb-i Aqdas'' nosoratan'i Bahāʾ-Allāh sy ''Ny'' ''Sitrapo sy ny Didimiafin'i ʿAbd-al-Bahāʾ.'' Nanangana ny Tranon'Izao Tontolo Izao ho an'ny Fahamarinana, izay ahitana mpikambana voafidy, i Bahāʾ-Allāh. I Abd-al-Bahāʾ kosa nanangana ny foto-dalana mifehy ny "Fiambenana" ifandovana sady namaritra ny fifandraisana misy eo amin'ireo andrim-pitantanana roa ireo. Ao amin'io didimiafina io i ʿAbd-al-Bahāʾ dia nanendry ny lahimatoa amin'ireo zafikeliny, izay tsy iza fa i Shoghi Effendi, ho lasa "Mpiambina ny Raharahan'Andriamanitra", izay angady nananana sy vy nahitana ny fampandrosoana izany fitantanan-draharaha izany.
 
Izany Lamim-pitantanan-draharaha bahay izany dia ahitana mpikambana voafidy sy mpikambana voatendry. Isan-toerana na isam-patritra na isam-pirenena dia mifidy ireo mpikambana sivy ao amin'ny antenimiera ara-panahy isan-taona ny mpino bahay mba hisahana ny raharahan'ny fikambanana isan'ambaratonga izay manaja ny fameram-pahefana misy ambaratonga. Tsy fidina ny mpikambana ao amin'ny "Fikambanan'ny Mpanolotsaina" (''hayʾāt-i mušāwirīn'') fa tendrena isan'ambaratonga isam-toerana sy eo amin'ny ambaratonga iraisam-pirenena, ka izy ireo no miantoka ny fampielezana sy ny fiarovana ny fikambanana (izany hoe manao teny fitsipahana ny hevitr'ireo mpanohitra sady manara-maso ny fanajan'ny mpino ny fitsipi-pinoana marina). Tsy manana andraikitra mitovy amin'ny an'ny mpitondra fivavahana anefa izy ireo satria tsy misy ny atao hoe mpitondra fivavahana ao amin'ny finoana bahay.
 
Ny Tranon'Izao Tontolo Izao ho an'ny Fahamarinana no fitondrana faratampon'ny finoana bahay ary ireo mpikambana sivy ao aminy dia fidin'ny mpikambana ao amin'ireo antenimieram-pirenena ara-panahy rehetra isaky ny dimy taona. Ny lehilahy feno 21 taona ihany no azo fidina ho mpikambana ao amin'ny Tranon'Izao Tontolo Izao ho an'ny Fahamarinana, nefa amin'ny finoana bahay ankehitriny (tsy araka ny zava-nisy tamin'ny fikambanana bahay tandrefana talohan'ny fiavian'i ʿAbd-al-Bahāʾ tany eo an-toerana sy hatramin'ny tenantenan'ny taonjato faha-20 teo amin'ny fikambanana bahay tany Atsinanana Afovoany) dia afaka fidina amin'ny toerana hafa rehetra na ny lehilahy na ny vehivavy.
 
== Finoan'ny Bahay ==