Fanompoan-tsampy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy famaritana sns.
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[fanompoan-tsampy]] dia fivavahana amin'ny sarysarin-javatra. Nefa ho an'ny [[Jodaisma|fivavavahana jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[Finoana silamo|silamo]] dia fanompoan-tsampy koa ny fivavahana amin'ny zavatra iray na inona na inona izay tsy Andriamanitra na ny fivavahana amin'andriamanitra tsy izy. Matetika ny fanompoan-tsampy dia miseho amin'ny alalan'ny fivavahana amin'ny ny masoandro na amin'ny volana na amin'ny kintana na zavatra hafa izay anaovana fanompoam-pivavahana sy sorona sy fanatitra ary vavaka.
 
Niely teo amin'ireo sivilizasiona malaza taloha toa ny an'ny Babiloniana sy ny Ejipsiana sy ny Grika sy ny Hindoa ary ny Romana ny fanompoan-tsampy. Ny fivavahana amin'ny sampy dia tafiditra tao amin'ny vahoakan'i Israely noho ny fifaneraserany tamin'ny kolontsaina babiloniana sy ejipsiana ary tsy voatohitra izany raha tsy teo ny fiezahan'ireo mpaminany izay nandrara ny Hebreo tsy hanompo sarin-javatra. Tsy mankasitraka ny fanompoan-tsampy ny fivavahana kristiana ka misy ireo izay nanao sy mbola manao ny hampihena na ny tsy hampisy mihitsy ny fampiasana sary amin'ny fivavahana kristiana.
Andalana faha-5:
Ny fanompoan-tsampy dia fahasimban'ny fivavahana sy fialana amin'ny fivavahana marina araka ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo ka tokony hiadiana; fialana amin'ny lalana tena izy ny fanompoan-tsampy.
 
Talohan'ny nidorannidiran'ny fivavahana [[Kristianisma ao Madagasikara|kristiana]] sy [[Fivavahana silamo eto Madagasikara|silamo teto Madagasikara]] dia nanjaka na teo amin'ny sokajin'olona rehetra, hatramin'ny olon-tsotra ka hatramin'ireo mpanjaka, ny fanompoan-tsampy ary mbola be mpanaraka izany hatramin'izao, amin'ny maha isan'ny [[fivavahan-drazana malagasy]] azy.
 
== Amin'ny fitenim-pirenena samihafa ==