Bokin' i Nehemia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanolotra ny fafana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:PikiWiki Israel 14284 Jerusalem Wall.jpg|vignette|271x271px|''Ny mandan'i Jerosalema,'' sary avy amin'ny PikiWiki Israel, taona 2011.]]
Ny '''Bokin’i Nehemia''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Mitantara ny fikasan’i [[Nehemia]] hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’i Nehemia ho governoran’i Joda i Artakserksesy, mpanjakan'i Persia, mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia [[Jiosy]] sasany sy ireo governeran’nygovernoran’ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ny ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ny roa ambin’ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’i [[Mosesy]].
 
== Ny anaran'ny boky ==
Tamin’ny voalohany ny Bokin’i Nehemia dia tsy niavaka tamin’ny [[Bokin'i Ezra|Bokin’i Ezra]] (na Esdrasa) izay samy nitambatra tamin’ny [[Bokin'ny Tantara|Bokin’ny Tantara]]. Sahala amin’ny [[Boky voalohan'ny Tantara|Boky voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Tantara|faharoan’ny Tantara]], ny Bokin’i Nehemia sy ny Bokin’i Ezra -, izay nitambatra ho boky tokana ([[Boky Ezra-Nehemia|Ezra-Nehemia]]) dia tsy nosarahana raha tsy efa taty aoriana: tsy fantatra ny fotoana sy ny antony nanaovana an’izany. Ny [[Volgata]], dikan-teny latinan’ny Baiboly, no nandraikitra an’izany fanasarahana izany, izay nanjary fanaon’ny mpanonta ny Baiboly taty aoariana. Ny Bokin'i Nehemia dia atao hoe ''2 Esdras'' (na ''Esdras II'') ao amin'ny Volgata fa mitambatra amin'ny Bokin'i Ezra kosa izy ao amin'ny [[Baiboly ortodoksa|Baiboly ortodoksa etiopiana]] ka manome boky tokana atao hoe ''1 Izra'' izay tsy iza fa ny Ezra-Nehemia ihany.
 
Inty ny fafana maneho ny fiovaovan'ny anaran'ny boky:
Andalana faha-57:
 
== Ny mpanoratra ==
Ny lovantsofina dia milaza fa i [[Nehemia]] no nanoratra ny boky. Ho an’ireo mpikaroka momba ny Baiboly kosa, ny Bokin’i Nehemia dia nosoratan’ilay nanoratra ny Bokin’ny Tantara, atao hoe “ilay"ilay Mpitantara”Mpitantara", izay mpisorona na [[Levita]] niaina tamin’ny taonjato faha-4 tal. J.K. izay nanovo tao amin’ny ''Raki-pitadidian’i Nehemia'' nosoratan'i Nehemia hoan’ny mpanjakan’i Persia sy ho an’ny firaketana tao Jerosalema. Fa ny toko faha-8 sy faha-9 kosa dia nalainy avy ao amin’ny ''Raki-pitadidian’i Ezra''.
 
== Ny fizaràn’ny boky ==
Andalana faha-71:
 
=== Fananganana ny manda sy fanarenana sosialy (1 – 7) ===
Nifankahita tamin’i Nehemia indray i Hanany, izay mety ho rahalahiny, izay nitantara taminy ny zava-misy ao Jerosalema taorian’ny [[Fahababoana]]. Nampalahelo an’i [[Nehemia]] ny zavatra henony ka nangataka alalana tamin’ny mpanjaka Aratakserksesy mba ho any Jerosalema izy hanangana ny mandan’i Jerosalema izay voarodana. Voatendry ho governoran’i Joda i Nehemia ka nandresy lahatra ny vahoaka tao Jerosalema hanangana ny manda. Nisy ny fanoherana nataon’ireo governora manodidina sy ny fiampangana tsy marina an’i Nehemia ho manomana fikomiana amin’ny mpanjaka. Nanendry mpiambina ny manda sy ny vavahady i Nehemia. Vita tanatin’ny 52 andro ny manda.
 
Mba hiadiana amin’ny fanararaotan'ireo Jiosy nanan-karena avy any [[Babilona]] ny mahatra, dia nanao fanavaozana ara-tsosialy i Nehemia, ka noraràna ny fampitrosana misy zanabola be loatra sady nofoanana ny tsosan’ireo mahantra ary naverina amin’ny tompony ny fananana natao antoka.
 
=== Fanavaozana ara-pivavahana (8 – 10). ===
Nofaritan’i Nehemia niaraka amin’i [[Ezra]] (na Esdrasa) ny fomba tokony ho famakiana ny [[Torah|bokin’ny lalàn’i Mosesy]]. Natomboka ny fankalazana ny Fetin’ny Tabernakely (na Sokota; hebreo: ''חַג הַסֻּכּוֹת I'' ''Hag haSoukkot''). Nisy ny fotoam-pifonan’ny vahoaka Jiosy tamin’Andriamanitra noho ny fahotan’izy ireo. Nataon’i [[Nehemia]] ny hahatonga an’i Jerosalema honenan'ny Jiosy maro. Nisy koa ny fepetra noraisiny mba hikarakarana ny Tempoly sy ny [[Levita]] miasa ao.
 
=== Fanadiovana ny tanàna (11 – 13) ===