Hindoisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelkina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-4:
Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin'ny fomba ranoray ny Hindoisma satria ireo mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy<ref><small>''Sept Upanishads''. Jean Varenne. Édition du Seuil, 1981, <abbr>p.</abbr> 13 (<nowiki>ISBN 9782020058728</nowiki>).</small></ref> <ref><small>Jeffery D. Long (en), ''Historical Dictionary of Hinduism'', Scarecrow Press, 9 septembre 2011 (<nowiki>ISBN 978-0-8108-7960-7</nowiki>, [https://books.google.com/books?id=ZkkFCwAAQBAJ&pg=PA19 vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3DZkkFCwAAQBAJ%26pg%3DPA19 tahiry]]), <abbr>p.</abbr> 19: « ''it has no founder and no central administrative institution.'' »</small></ref>.
 
Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny Hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin'ny andraisan'ny [[Kristianisma]] na ny [[Jodaisma]] ny hoe "fivavahana" izy satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin'ny ivon'ny fampianaram-pinoany aza<ref><small>Ny Nyâya dia manaiky ny fahefan'ireo Veda nefa milaza koa fa tsy ''anitya'' ("tsy maharitra") izy ireo no sady ''paurusheya'' ("araka ny fomban'olombelona"). ''Le Nyâya-sûtra de Gautama Akshpâda'', dikan-tenin'i Michel Angot, edisiona Les Belles Lettres, p. 58 (<nowiki>ISBN 978-2-251-72051-7</nowiki>)</small></ref>. Mampiavaka ny Hindoisma ny toetrany izay ahitana fanambarana karazana finoana sy fanao avy amin'ny fivavahana samihafa ([[Sinkretisma (finoana)|sinkretisma]]).
 
Ny Persiana tamin'ny taonjato faha-5 no nanome anarana ny mponin'ny telozoron'ny ony Indo amin'io anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin'ny zana-kontinenta indiana iray manontolo. Avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sankrita]] hoe ''sindhu'' izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe ''hindo'' ka manondro indrindra ny renirano [[Indus|Indo]] izany. Tamin'ny voalohany (taonjato faha-5) ny [[Fiteny persana|teny persana]] hoe ''hindu'' (izay gasina eto hoe ''hindoa'') dia nilazan'ireo Silamo ny mponina ao amin'ny lemaka eo am-pivarinan'ny renirano Indo any an-dranomasina<ref name=":0"><small>Gerhard J. Bellinger, ''Encyclopédie des religions'', Librairie Générale Française, 2000 (<nowiki>ISBN 9782253131113</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 352-426.</small></ref>.