Bokin' ny Mpanjaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fàfana mamintina ny anaran'ny boky
Andalana faha-1:
 
Ny '''Bokin'ny Mpanjaka''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] izay isan’ireo bokin'ny mpaminany mitantara ny fanjakan’i [[Solomona]] sy ny nanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa. Asehony tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy i Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny didiny. Voatantara koa ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana ny fahotan'ireo mpanjaka izay nitarika ny faharavan'ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan'i Joda. Ny fizaràna an'io boky io no nahazoana ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]].
 
== Ny anaran’ny boky sy ny fanoratana azy ==
 
=== Ny anaran’nyanaran'ny Boky ===
Ny ''Bokin’ny Mpanjaka'' dia boky ao amin’ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) ka ny fizaràna azy ho roa no nipoiran'ny boky roa ao amin'ny Baiboly kristiana atao hoe Boky voalohan'ny Mpanjaka sy Boky faharoan'ny Mpanjaka. ''Sefer Melakhim'' na ''Melakhim'' no iantsoana io boky io amin'ny teny hebreo.
 
Ao amin’ny Septanta na [[Septoaginta]] (Baiboly jiosy amin'ny dikan-teny grika) sy ny [[Volgata]] (Baiboly amin'ny dikan-teny latina) anefa dia atao hoe Bokin’ny Fanjakana (''Libri Regnum'') voalohany sy faharoa sy fahatelo ary fehefatra ireo boky efatra mifanarakaraka, dia ny [[Boky voalohan'i Samoela|Samoela voalohany]] sy ny [[Boky faharoan'i Samoela|Samoela faharoa]] sy ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|Mpanjaka voalohany]] ary ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|Mpanjaka faharoa]].
{| class="wikitable"
| colspan="2" |'''Septoaginta sy Volgata'''
|'''Baiboly hebreo'''
|'''Baiboly kristiana ankehitriny'''
|-
| rowspan="4" |[[Bokin'ny Fanjakana (Baiboly)|Bokin'ny Fanjakana]]
 
(''Libri Regnum'')
|''Boky voalohan'ny Fanjakana''
| rowspan="2" |''[[Bokin'i Samoela]]''
 
(''Sefer Shamuel'')
|''[[Boky voalohan'i Samoela]]''
|-
|''Boky faharoan'ny Fanjakana''
|''[[Boky faharoan'i Samoela]]''
|-
|''Boky fahatelon'ny Fanjakana''
| rowspan="2" |''[[Bokin'ny Mpanjaka]]''
 
(''Sefer Melakhim'')
|''[[Boky voalohan'ny Mpanjaka]]''
|-
|''Boky fahefatry ny Fanjakana''
|''[[Boky faharoan'ny Mpanjaka]]''
|}
 
=== Ny mpanoratra ===
Araka ny lovantsofina dia i [[Jeremia]] no nanoratra ny Bokin'ny Mpanjaka Voalohany. Fa ireo mpikaroka momba ny Baiboly dia milaza fa olona maro tamin’ny fotoana samihafa no nanoratra sy nanambatra ny lahatsoratra.
 
== Ny fizaràn'ny boky ==