Magy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''magy''' na '''majy''' dia olona ao amin’nyamin'ny foko [[mediana]] (araka an’i [[Herodota]]) izay nisahana ny asam-pisoronana tany [[Iran|Iràna]]. Nisy amin'izy ireo voalaza ao amin'ny [[Baiboly]] ho notarihina kintana iray ka tonga namangy sy nanao fanomezana ho an'i [[Jesosy]] vao teraka.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''magy'' na ''majy'' dia avy amin’ny teny grika hoe μάγοις / ''magois'' izay avy amin’nyamin'ny [[Fiteny persana|teny persana]] hoe ''maga'' na ''magis''.
 
== Araka ny mpanoratra tranainy grika sy tandrefana ==
Niseho tao amin’nyamin'ny tontolo tandrefana io teny io nanomboka tamin’ireo taonjato voalohany ka nampiasaina hanondroana ireo olona niaraka tamin’nytamin'ny fivavahan’ifivavahan'i [[Zaratostra]] sady mpikarakara ny fanopoam-pivavahana amin’iamin'i [[Ahora Mazda]]. Tsy izy ireo anefa no mpivavaka voalohany tamin’nytamin'ny mazdeisma. Tsy voasoratra ao amin’nyamin'ny [[Avesta]] ny anaran’izyanaran'izy ireo. Ireo mpanoratra tranainy dia nanao an’ireoan'ireo magy ho [[ombiasa]] (na [[ombiasy]]) ka izany no niheverana ny fanao maizimaizina sy miafinafina ho asan’ireoasan'ireo magy ka atao hoe ''[[majika]]'' na ''magie'' amin’nyamin'ny teny frantsay.
 
Heverina ho foko niova finoana ho amin’nyamin'ny [[Zoroastrisma|fivavahana nohavaozin’i Zaratostra]] ny magy ary ireo zana-poko ao aminy dia mety naka tsikelikely ho azy samirery ny fahefam-pisoronana. Tsy azo fototra tsara anefa ny amin’izanyamin'izany satria tsy misy na soratra na zavatra hafa manaporofo azy. Taorian’ny fiorenan’nyfiorenan'ny fivavahana [[silamo]] tao Iràna dia nanjavona tsy hita intsony ireo magy.
 
Raha ny amin’nyamin'ny majika ataon’ireo magy iraniana indray no resahina dia zavatra tsy marina izany. Ireo mpanoratra grika tranainy izay nitady tahirin-kevitra momba an’ian'i Iràna dia nifampiraharaha tamina magy efa nanana kolontsaina grika sy efa nonina tany [[Mesopotamia]], tany [[Kaldea]], tany Anatolia, sns ka efa nandray fomba amam-panao avy any ivelan’iivelan'i Iràna. Noho izany ny filalaovana fanafody sy ny fanandroana izay tsy tian’itian'i Zaratostra sy nozoniny tao amin’ny tononkira (''gata'') izay nataony dia noheverin’ny [[Grika]] sy ny Tandrefana rehetra ho fahaizana manokan’ireomanokan'ireo [[mazdeana]].
 
== Araka ny Baiboly sy ny lovantsofina kristiana ==
Ny magy na majy dia ilazan’nyilazan'ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsara araka an’i Matio]] ireo mpivahiny izay notarihin’nynotarihin'ny [[kintana]] iray avy any atsinanana ho any Israely mba hitsaoka ny Kristy vao teraka.
[[Sary:Albrecht Altdorfer - The Adoration of the Magi - Städel.jpg|vignette|''Ny fitsaohan'ny Magy,'' nataon'i Albrecht Altdorfer,  anelanelan'ny taona 1530-1535]]
 
=== Ny Magy ao amin'ny Filazantsaran'i Matio ===
Tamin’nyTamin'ny fahatongavany tao [[Jerosalema]] dia nankao amin’nyamin'ny lapan’i [[Heroda Lehibe]] izy ireo mba hamotopototra tsara ny amin’nyamin'ny toerana misy an’ilayan'ilay [[Fahaterahan'i Jesoa|zaza vao teraka]], dia i [[Jesoa]]. Namaly i Heroda fa tsy mahafantatra ny amin’izanyamin'izany. Taitra tamin’nytamin'ny fanamafisana avy amin’nyamin'ny soratry ny [[mpaminany]] ny mpanjaka. Nefa nanafatra an’ireoan'ireo magy izy mba hiverina eo aminy hanambara aminy ny mombamomba an'ilay zaza. Nampiasa saina an’ian'i Heroda ny nandrenesany an’izanyan'izany. Notarihin’ilayNotarihin'ilay kintana ireo magy ka tonga tao [[Betlehema]] tao amin’nyamin'ny tranon’ombytranon'omby nandrian’ilaynandrian'ilay zaza ka nanome azy [[volamena]] sy zavamanitra ary [[miora]].
 
Nahazo fampitandremana tamin’nytamin'ny [[anjely]] tamin’nytamin'ny alalan’nyalalan'ny [[nofy]] ireo magy ka tsy niverina intsony tany an-dapan’idapan'i Heroda. Nanapa-kevitra ny hamono ny zaza vao teraka rehetra ny mpanjaka.
 
=== Ny Magy araka ny lovantsofina ===
Araka ny lovantsofina izay tsy voarakitra ao amin’nyamin'ny Filazantsara dia miisa telo ireo magy ka izao avy ny anarany : i Baltazara sy i Melkiora ary i Gaspara.
 
== Jereo koa ==
* [[Magy ao amin'ny Baiboly|Magy ao aimin'ny Baiboly]]
* [[Noely]]