Fihoa-draha: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy momba ny finoana sy ny filozofia |
k Nanitatra |
||
Andalana faha-1:
Ny [[fihoa-draha]] dia toetra ananan'ny zavatra anankiray izay mihoatra ka tsy takatry ny fahatsapana sy ny sain'ny olombelona. Atao hoe "mihoa-draha" ny zavatra manana izany toetra izany. Mampiasa ny teny hoe ''fihoa-draha'' na ''mihoa-draha'' io ny [[Filozofia|filozofa]] sy ny [[Teolojia|teolojiana]] mba hiresahany ny amin'Andriamanitra izay tsy takatry ny saina sady tsy mifangaro amin'ny zavaboary noforoniny. Tsy Andriamanitra ihany no hitan'ny filozofa ho mihoa-draha fa misy zavatra hafa koa toy ny fanahy. Tsy ireo sehatra roa ireo ihany no ahitana ny fampiasana io teny io fa ny taranja matematika koa dia ahitana azy mba hilazana ny toetran'ny isa sasany toy ny isa ''e'' sy ''py''.
== Ny fihoa-draha eo amin'ny sehatry ny finoana ==
Ny fihoa-draha dia toetran'Andriamanitra izay tsy miankina tanteraka amin'ny tontolo tsapa fa ivelan'ny lalàna fizika mifehy ny natiora. mihoa-draha koa Andriamanitra noho izy any ivelan'ny fahalalana mety hananan'ny olombelona. Ao amin'ny sehatry ny fivavahana isan-karazany sy ny [[metafizika]] (filozofia) dia toetra afaka miaraka amin'ny mifanohitra aminy, dia ny fahafahan'ny olombelona mifandray amin'Andriamanitra sy mahalala ny sasany amin'y toetra ananany.
|