Andro: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy fanatsarana hafa
Andalana faha-1:
Ny [[andro]] dia fe-potoana na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny tenany. Amin'ny ankapobeny dia ny fiverenan'ny [[Masoandro]] amin'ny toerana efa nisy azy no amantarana ny fahafenoan'izany tsingerina izany. Izany dia misy 24 [[ora]] eo ho eo ka ny fanombohany dia miovaova arakaraka ny fahazarana sy ny [[tetiandro]] ampiasaina. Misy ny mampanomboka ny andro iray avy eo amin'ny fotoana ilentehan'ny masoandro fa misy koa ny mampanomboka an'izany amin'ny misasaka alina. Ventin-kalavam-potoana ampiasaina matetika handrefesana ny halavan'ny [[Volana (fotoana)|volana]] na ny [[taona]] ny andro.
 
Ny teny hoe ''andro'' koa dia ilazana ilay fotoana ahitana na tokony hahitana ny Masoandro eny amin'ny habakabaka ka ahafahany manazava ny Tany, eo anelanelan'ny fiposahany sy ny filentehany, ka izany dia mifanohitra amin'ny atao hoe ''alina'' izay fotoana tsy ahitana ny masoandroMasoandro eo anelanelan'ny filentehany sy ny fiposahany. Ny andro resahina eny ambony izany nydiany fitambaran'ny andro (mazava) iray sy ny [[Alina (fotoana)|alina]] iray mifanarakarana na ny mifamadika amin'izany.
 
== Ny isan'ny andro ==
 
==== Ny isan'ny andro ao anaty herinandro ====
Arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny isan'ny andro ao anatin'ny [[herinandro]] ka ny be mpampiasa dia ny tetiandro ahitana herinandro misy fito andro. Ny iray andro koa dia voatsinjara ho maro na vitsy arakaraka ny fahazarana na ny tetiandro ampiasaina ka ny be mpiampiasa dia ny mizara azy ho 24 ora. Amin'ny ankapobeny dia samy manana ny anarany ny andro tsirairay ao anatin'ny herinandro ka miovaova arakaraka ny tetiandro sy ny fiteny ampiasaina izany. Ny herinandro iray dia mety hanomboka amin'ny Alatsinainy na ny Alahady na ny Asabotsy na andro hafa arakaraka ny sehatra ampisana ny tetiandro sy ny vahoaka eto amin'izao tontolo izao mampiasa azy.
 
==== Ny isan'ny andro ao anatin'ny volana ====
Tsy mitovy ny isan'ny andro ao anatin'ny iray volana arakaraka ny laharan'ilay volana na ny tetiandro ampiasaina. Amin'ny ankapobeny dia misy 30 na 31 andro ny ao anatin'ny iray volana amin'ny [[tetiandro gregoriana]] na [[Tetiandro joliana|joliana]] nefa ny volana Febroary dia misy 28 na isaky ny efa-taona 2829. Ny iray volana ao amin'ny [[Tetiandro nentim-paharazana malagasy|tetiandro malagasy]] dia matetika misy 28 andro. Ny tetiandro [[Tetiandro hebreo|hebreo]] sy [[Tetiandro silamo|silamo]] dia ahitana volana misy 29 na 30 andro.
 
==== Ny isan'ny andro ao anatin'ny taona ====
Ny ao anatin'ny iray taona koa dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Nisy ihany ny latsaky ny 300 andro toy ny an'ny [[tetiandro romana]]. Ny taona iray ao amin'ny [[tetiandro gregoriana]], ilay ampiasain'ny ankamaroan'ny olona amin'izao, dia misy 365 amin'ny telo taona mifanarakaraka fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona.
 
== Ny anaran'ny andro ==
Andalana faha-20:
 
==== Anaran'ny andro fito amin'ny fiteny malagasy ====
Ireto avy ny anaran'ireo andro fito ao anatin'ny herinandro amin'ny teny malagasy: ''[[Alatsinainy]]'', ''[[Talata]]'', ''[[Alarobia]]'', ''[[Alakamisy]]'', ''[[Zoma]]'', ''[[Asabotsy]]'', ''[[Alahady]]''. Ny Alatsinainy mety hisy hanoratra na hanonona hoe ''Tsinainy''; ny Talata ho ''Atalata''; ny Alarobia ho ''Larobia''; ny Alakamisy ho ''Kamisy''; ny Zoma ho ''Azoma''; ny Asabotsy ho ''Sabotsy'' ary ny Alahady ho ''Lahady''.
{| class="wikitable"
|Malagasy (ofisialy)
Andalana faha-45:
|}
 
==== Anaran'ny andro fito amin'ny fiteny arabo sy somalysomalý sy maltey ary maley ====
Naka anaran'andro arabo manontolo dia ny [[fiteny somalysomalý]] sy [[Fiteny maley|maley]] ary matey[[Fiteny maltey|maltey]].
{| class="wikitable"
|Arabo
Andalana faha-86:
 
==== Ny anaran’ny andro fito ao amin'ny fiteny amharika sy indoneziana ary sondaney ====
Ny [[fiteny indoneziana]] sy [[Fiteny amharika|ahmarika]] ary [[Fiteny sondaney|sondaney]] dia naka ampahany ihany tamin'ny anaran'andro arabo.
{| class="wikitable"
|Amharika
Andalana faha-127:
* [[Herinandro]]
* [[Andro]]
*[[Tetiandro]]