Dôketisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 11 Oktobra 2018 à 10:53

Ny doketisma dia fampianaram-pinoana niseho tamin'ireo taonjato voalohandohany nampisy ny Fivavahana kristiana izay milaza fa i Jesoa dia tsy nanana vatana azo tsapain-tanana fa zavatra miseho ety ivelany tsy tena izy izany. Nohelohin'ny Fiangonana izany ka isan'ireo atao hoe fampianaran-diso na finoan-diso (grika: heresia).

Fiforonan-teny

Ny teny nohagasina hoe doketisma dia avy amin'ny matoanteny sy anarana grika hoe δοκεῖν / dokein ("miseho") sy δόκησις / dokêsis ("fisehoana" na "matoatoa").

Fiantraikan'ny filozofian'i Plato

Izany fandavana ny maha olona tokoa an'i Jesoa Kristy miksy ifandraisany amin'ny foto-kevitra filozofika doalista izay mampifanohitra ny zavatra azo tsapain-tanana (na raha) amin'ny fanahy. Araka ny filozofia platonisiana dia mifanohitra ny raha (latina: materia; grika: ὕλη / hulê) sy ny fanahy (latina: spiritus; grika: πνεῦμα /pneuma) satria ambany ny raha fa ny fanahy kosa dia ambony lavitra. Noho izany ny mpomba ny doketisma dia milaza fa Andriamanitra dia tsy afaka hikambana amin'ny raha. Laviny araka izany ny fandraisana ara-bakiteny ny voasoratra ao amin'ny Evanjelin'i Joany (Joa. 1.14) izay manambara ny fahatongavan'ny Teny ho nofo.

Endrika samihafan'ny doketisma

Miseho amin'ny endrika maro izany fampianarana izany: ny sasany mandà ny maha olombelona an'i Jesoa, ny hafa kosa manaiky ny fahatongavany ho nofo nefa tsy mino ny fijaliany ka milaza fa nandresy lahatra ny iray amin'ireo mpianany i Jesoa mba hisolo toerana azy eny amin'ny hazo fijaliana ka mety ho i Jodasy na i Simona izany; ny hafa indray dia mihevitra fa manana vatana ara-panahy tsy tsy mahatsapa fijaliana i Jesoa.

Fanamelohana ny doketisma

Tsy ahitana firesahana mivantana moba ny doketisma ny ao amin'ny Testamenta Vaovao nefa nahazo vahana io fampianarana io tamin'ny taonjato faha-2 sy faha-3, tamin'ny nifanojoany amin'ny gnostisisma izay nifanohana aminy. Ireo Rain'ny Fiangonana tamin'ny fotoan'androny dia nanohitra mafy ny doketisma, indrindra fa i Ignasio avy any Antiokia sy i Ireneo, nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-2.

Notsipahin'ny mpivory tamin'ny Konsily voalohany tao Nikea tamin'ny taona 325 ny doketisma. Taty aoriana dia nanameloka ny doketisma ny Konsily tao Kelkedona tamin'ny taona 451. Ny Fiangonana Katolika sy ny Fiangonana Ortodoksa Tandrefana sy ny Fiangonana Ortodoksa Koptan'i Aleksandria ary ny Fiangonana Ortodoksa Teoahedo dia manao ny doketisma ho fampianaran-diso. Manao torak'izany koa ny ankamaroan'ny fiangonana kristiana hafa izay nandray ny fehin-kevitr'ireo konsilin'ny Fiangonana tany aloha.

Jereo koa: