Fanandroana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny finoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
Ny [[fanandroana]] dia fandalinana sy fampiharana ny fifandraisan'ny zava-mitranga eto an-tany amin'ny toerana misy ireo zava-mitsingevana eny amin'ny lanitra toy ny [[Masoandro]] sy ny [[Volana]] ary ny [[kintana]]. Ny mpanandro dia milaza fa ny toerana misy ireo zavatra ireo amin'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray sy ny fifindran-toeran'ireo zavatra ireo dia ahafaha-mamantatra ny toetr'io olona io sady ahafaha-mamantatra mialoha ny hoaviny.
 
== Ny nipoiran'ny fandroanafanandroana sy ny fivoarany ==
Ny fanandroana dia fanao efa elabe hatramin'ny fahagola izay nivoatra tao amin'ny kolontsain'ny firenena maro samihafa tsy mifampiankina. Ny [[Kaldeana]] tao [[Babilona]] dia efa nampiasa fanandroana tany amin'ny 3000 taona tal. J.K. fa ny [[Sinoa]] kosa tany amin'ny 2000 tal. J.K. Tany amin'ny taona 500 tal. J.K. dia niely tany tany [[Grisia]] ny fanandroana. Miresaka ny amin'izany ny filozofa toa an-dry [[Pitagora]]. Be mpanao tao Eoropa ny fanandroana nandritra ny [[Andro Antenantenany]], na dia nenjehin'ny [[Kristianisma|Fiangonana kristiana]] aza izany.
 
Andalana faha-13:
Ampiasaina koa ny endriky ny fifandraisan'ny Masoandro amin'ny ny Volana na/sy ny planeta na/sy ny kintana iray, izany hoe ny zoro foronin'izy ireo (mifanindry: 0°, mifanohitra: 180°, mahitsizoro: 90°, sns.); torak'izany koa ny fifandraisan'ny Volana amin'ny zava-mitsingevana hafa (kintana, planeta) na ny samy planeta na samy kintana.
 
Ny mpanandro isam-paritra na isam-pirenena eto amin'izao tonbtolotontolo izao dia tsy voatery hampiasa ireo zavatra rehetra ireo fa mety ny ampahany aminy fotsiny. Mety hifandray amin'ny fisikidiana koa ny fanandroana.
 
== Ny fampiasana ny fanandroana ==