Hindoisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
[[Sary:Aum Om navy blue circle coral.svg|vignette|303x303px]]
Ny [[Hindoisma]] dia fivavahana sy filozofia ary fomba fiainana mbola be mpanaraka izay nipoitra ao amin'ny zana-kontinenta indiana ka atao hoe Hindoa ny mpanaraka azy. Isan'ireo fivavahana tranainy indrindra eran'izao tontolo izao izay mbola misy manaraka izy<ref><small>Lester R. Kurtz, ''Gods in the global village: the world's religions in sociological perspective'', Pine Forge Press, 2007 : "Hinduism — or Sanatana Dharma, as some believers prefer to call it — is a religious tradition that encompasses layers of complex deposits from many different cultures over the centuries. Its remarkable diversity and doctrinal tolerance (…)".</small></ref>. Ny ankamaroan'ny Hindoa dia mino ny fahefan'ireo boky atao hoe ''Veda'' <ref><small>Ny teny hoe ''Véda'' dia midika hoe "fahitana" na "fahalalana".</small></ref> izay ekeny fa nambara tamin'ny olombelona "tsy araka ny fomban'olombelona" (''apauruṣeya'')<ref><small>आदि शङ्कर (Ādi Śaṅkarācārya), Âtma-bodha, dikan-teny sy fanavarihana nataon'i S. Nikhilananda, Madras, 1987, Edisiona faha-<abbr>7</abbr>.</small></ref> tamin'ny alalan'ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmā araka ny fandrenesan'ireo Rishi (izany hoe "mpahita")<ref><small>Madeleine Biardeau, ''L'hindouisme, anthropologie d'une civilisation'', Flammarion.</small></ref>. Tsy fantatra ny nanoratra ny lahatsoratra ao amin'ireo Veda ireo ary ny sasany dia anganongano no ahafantarana azy tahaka an'i Vyāsa.
 
Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin'ny fomba ranoray (ny Hindoisma satria ireo mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy)<ref><small>''Sept Upanishads''. Jean Varenne. Édition du Seuil, 1981, <abbr>p.</abbr> 13 (<nowiki>ISBN 9782020058728</nowiki>).</small></ref> <ref><small>Jeffery D. Long (en), ''Historical Dictionary of Hinduism'', Scarecrow Press, 9 septembre 2011 (<nowiki>ISBN 978-0-8108-7960-7</nowiki>, [https://books.google.com/books?id=ZkkFCwAAQBAJ&pg=PA19 vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3DZkkFCwAAQBAJ%26pg%3DPA19 tahiry]]), <abbr>p.</abbr> 19: « ''it has no founder and no central administrative institution.'' »</small></ref>.
 
Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny Hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin'ny andraisan'ny [[Kristianisma]] na ny [[Jodaisma]] ny hoe "fivavahana" izy satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin'ny ivon'ny fampianaram-pinoany aza<ref><small>Ny Nyâya dia manaiky ny fahefan'ireo Veda nefa milaza koa fa tsy ''anitya'' ("tsy maharitra") izy ireo no sady ''paurusheya'' ("araka ny fomban'olombelona"). ''Le Nyâya-sûtra de Gautama Akshpâda'', dikan-tenin'i Michel Angot, edisiona Les Belles Lettres, p. 58 (<nowiki>ISBN 978-2-251-72051-7</nowiki>)</small></ref>. Mampiavaka ny Hindoisma ny toetrany izay ahitana fanambarana karazana finoana sy fanao avy amin'ny fivavahana samihafa (sinkretisma).
 
Ny Persiana tamin'ny taonjato faha-5 no nanome anarana ireony mponin'ny telozoron'iny ony Indo ioammn'o anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin'ny zana-kontinenta indiana iray manontolo. Avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sankrita]] hoe ''sindhu'' izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe ''hindo'' ka manondro indrindra ny renirano [[Indus|Indo]] izany. Tamin'ny voalohany (taonjato faha-5) ny [[Fiteny persana|teny persana]] hoe ''hindu'' (izay gasina eto hoe ''hindoa'') dia nilazan'ireo Silamo ny mponina ao amin'ny lemaka eo am-pivarinan'ny renirano Indo any an-dranomasina<ref name=":0"><small>Gerhard J. Bellinger, ''Encyclopédie des religions'', Librairie Générale Française, 2000 (<nowiki>ISBN 9782253131113</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 352-426.</small></ref>.
 
Ny Hindoisma dia fitambarana hevitra filozofika nolovana hatrany alohan'ny nahafantarana ny tantara indiana<ref><small>C.A. Jones et J.D. Ryan, ''Encyclopedia of Hinduism,'' natontan'ny Checkmark Books, pejy XVII (<nowiki>ISBN 0816073368</nowiki>).</small></ref>. Ny fampiaharana ny Hindoisma amin'ny fiainana dia avy tamina lovantsofina tranainy dia tranainy, manakaiky ny atao hoe animisma. Azo zaraina telo ny tantaran'io fivavahana io ka ny Hindoisma, araka ny ahafantarana azy amin'izao, no dingana farany taorian'ny Vedisma (taona 1500 - 500 tal. J.K.) sy ny Brahmanisma (600 tal. J.K. - 500 taor. J.K.)<ref><small>Alexandre Astier, ''Comprendre l'hindouisme'', Éd. Eyrolles, 2007, <abbr>p.</abbr> 11 (<nowiki>ISBN 978-2-7081-3720-2</nowiki>).</small></ref>. Ao amin'ny zana-kontinenta indiana no tena betsaka mpanaraka ny Hindoisma nefa ahitana azy koa ireo toerana ivelan'i [[India]] izay ahitana Indiana mpifindra monina toa an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ireo Antilia ary i Angletera.
 
Tamin'ny taona 2015 dia niisa teo amin'ny 1.100.000.000 ny mpivavaka manaraka azy<ref><small>Ysé Tardan-Masquelier, ''Un milliard d'hindous'', Albin Michel, 2007.</small></ref> <ref><small>"The Changing Global Religious Landscape", ''Pew Research Center's Religion & Public Life Project'',‎ 5 avril 2017 ([http://www.pewforum.org/2017/04/05/the-changing-global-religious-landscape/ vakio] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2017%2F04%2F05%2Fthe-changing-global-religious-landscape%2F tahiry]])</small></ref> ao amin'ny firenena 85<ref name=":0" />. Izy no laharana fahatelo amin'ny fivavahana be mpanaraka indrindra aorian'ny Kristianisma sy ny [[Silamo]]. Ireo boky atao hoe ''Veda'' no boky masiny izay misy ny ny ankavaroanankamaroan'ny fampianarana arahina ao. Tsy fantatra ny nanoratra azy ireo.
 
== Jereo koa: ==