Levy (zanak' i Jakôba): Fahasamihafan'ny versiona
Nanisy sary
Aucun résumé des modifications |
Nanisy sary |
||
Andalana faha-1:
[[Sary:Levi LACMA M.88.91.296b.jpg|vignette]]
I '''Levy''' (לֵּוִי / ''Levi'' na ''Lewi'') dia olona resahina ao amin'ny [[Baiboly|Baiboly,]] ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]. Zanakahahy fahatelon'i [[Jakoba]] izy. I Lea no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe fokon'i Levy na Levita izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]].
Zafin’i [[Abrahama]] sy i [[Isaka]] i Levy. Nizara ho fianakaviana telo ny taranak’i Levy tamin’ny andron’ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an’i Kehaty (na Kohaty) ary ny an’i Merary. I Levy no rain’i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an’i Miriama sy i [[Mosesy]] ary i Arona tamin’i Amrama (zafin’i Levy). I Robena sy i Simeona sy i Joda sy i Isakara ary i Zebolona no rahalahiny ary i Dina no anabaviny iray reny aminy.
Nandray anjara tamin’ny famonoana ireo lehilahy tao an-tananan-dry Sikema (na Sekema), noho ity farany nandry an-keriny tamin’i Dina, izy niaraka tamin’i Simeona (Gen. 34.25-26) ka nozonin-drainy noho izany (Gen. 49.7).[[Sary:The Phillip Medhurst Picture Torah 171. Simeon and Levi slay Hamor and Shechem. Genesis cap 34 vv 25-26. Hoet.jpg|vignette|253x253px|''Mamono an'i Hamora sy i Sekema i Levy sy i Simeona,'' nataon'i Phillip Medhurst.]]Nisahana ny anjara asa mpisorona sy ny fitsarana sy ny fampitana ny fahalalana (indrindra ny fahalalana ny Torah) amin’ny Israelita rehetra ny Levita ka miaro azy ny foko 11 sisa.
I Mosesy no Levita fantatra indrindra teo amin’ireo Hebreo; rahalahiny I [[Arona]] izay nanjary Mpisoronabe voalohany teo amin’i Israely.
|