Filazantsara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Andalana faha-18:
 
==== Filazantsara araka an'i Matio ====
Fifandimbiasana fitantarana sy fifanjohian-toriteny no mamorona ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsaran'i Matio]]. Betsaka ireo toriteny nataon'i Jesoa taterin'ity evanjely ity ka isanireny ireo manambara ny vaovao mahafalin'ny famonjena sy ny [[fanjakan'Andriamanitra]], ireo fanoharana isankarazany, ny torohevitra ho an'ny Fiangonana ary ny amin'ny Andro farany. Ny Evanjelin'i Matio dia mitantara ny fahaterahan'i Jesoa sy ny fahazazany, ny fihaonany tamin'i Joany mpanao batisa, ny fiantsoany ireo mpianany, ireo fahagagana sy fanasitranana nataony, ny fijaliany, ny fitsanganany ho velona ary ny fanirahany ireo mpianany hitory ny vaovaoVaovao Mahafaly eran'izao tontolo izao.
 
==== Filazantsara araka an'i Marka ====
Mitantara ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Evanjely araka an'i Marka]] fa tao Galilia i Jesoa no niseho voalohany, nisedra ny fanoheran'ireo tsy tia azy, nanao fanoharana sy fahagagana ary niady hevitra tamin'ireo mpanohitra azy koa. Niasa tany ivelan'i Galilia koa i Jesoa ka tany izy dia mbola nanao fahagagana, niady hevitra tamin’ireo [[Fariseo]], niresaka ny amin'ny fanjakan’Andriamanitra sy ny hamafin'ny fanarahana azy. Ny Filazantsaran'i Marka dia mitantara fa tao Jerosalema i Jesoa dia no nanadio ny Tempoly, nitsikera ireo Fariseo, nilaza ny amin’ny zavatra hiseho amin’ny [[andro farany]]. Tao izy no nosamborina sy notsaraina. mitantaraMitantara ny nampijaliana an'i Jesoa sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona koa ny Filazantsara araka an'i Marka.
 
==== Filazantsara araka an'i Lioka ====
Miresaka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona rehetra ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Filazantsaran'i Lioka]]. Izany no nahatonga an'i Jesosy ho tonga eto amin'izao tontolo izao mba hamonjy ny olona rehetra. Maro ny ohatra nataon'i Jesosy momba izany fitiavana izany: ilay Samaritana tsara fanahy, ilay ondry very, ilay zanaka mpandany. I [[Lioka]] ihany no mintantara ny amin'ny namangian'i Jesosy ny tokantranon'ilay mpamory hetra sy ny nilazany koa fa na ny mpanao heloka be vava aza dia afaka ny hanantena hiditra any am-[[paradisa]]. Miresaka misimisy kokoa ny amin'ny Fanahin'Andriamanitra noho ny boky hafa ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] ny Filazantsaran'i Lioka: ny herin'ny [[Fanahy Masina]] tao amin'i Jaona mpanao batisa, ny resaky ny [[anjely]] tamin'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] izay nilaza fa ho tonga aminy ny Fanahy Masina, ny nilazan'i Jesosy fa ny Fanahy Masina no fanomezana lahibe indrindra. Ao no tena ahitana fa nivavaka mandrakariva i Jesosy amin'izay rehetra ataony sy nampianatra mivavaka koa. Ao koa no ahitana ny fitiavan'i Jesosy ireo mahantra. Asehon'i Lioka amin'ny alalan'ny fitantarany ny nihinanan'i Jesosy trondro fa olombelona mitafy nofo i Jesosy izay nitsangana tamin'ny maty fa tsy matoatoa.
 
==== Filazantsara araka an'i Jaona ====
Ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] dia mamaly ny fanontaniana hoe : "Iza moa i Jesosy?" Ataon'i Jaona hoe "ny Teny" izay namoronan'Andriamanitra an'izao tontolo izao sy nanomezany aina ny olona rehetra i Jesosy. I Jesosy no ilay zanakZanak'ondrin'Andriamanitra izay manafaka ny fahotan'izao tontolo izao. Izy ilay efa voasoratr'i [[Mosesy]] sy ny mpaminany. Izy no Zanak'Andriamanitra sady mpanjakan'i Israely. Ao amin'io filazantsara io no ahitana ilay vehivavy Samaritana izay homen'i Jesosy rano velona, ny nananganany an'i Lazarosy tamin'ny maty, ny tsy fatokian'i Tomasy ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Manao ny tenany ho mofo velona sy fahazavan'izao tontolo izao sy mpiandry tsara ary divay tsara koa i Jesosy. Ny Filazantsaran'i Jaona dia mitantara ny [[fahagagana]] fito nataon'i Jesosy izay ataony hoe "famantarana". Ny handresy lahatra ny mpamaky ny amin'ny maha [[Mesia]] sy Zanak'Andriamanitra an'i Jesosy no tanjon'ny Filazantsaran'i Jaona.
 
== Ireo filazantsara apokrifa ==