Magy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Andalana faha-5:
 
== Araka ny mpanoratra tranainy grika sy tandrefana ==
Niseho tao amin’ny tontolo tandrefana io teny io nanomboka tamin’ireo taonjato voalohany ka nampiasaina hanondroana ireo olona niaraka tamin’ny fivavahan’i [[Zaratostra]] sady mpikarakara ny fanopoam-pivavahana amin’i [[Ahora Mazda]]. Tsy izy ireo anefa no mpivavaka voalohany tamin’ny mazdeisma. Tsy voasoratra ao amin’ny [[Avesta]] ny anaran’izy ireo. Ireo mpanoratra tranainy dia nanao an’ireo magy ho [[ombiasa]] (na [[ombiasy]]) ka izany no niheverana ny fanao maizimaizina sy miafinafina ho asan’ireo magy ka atao hoe ''[[majika]]'' na ''magie'' amin’ny teny frantsay.
 
Heverina ho foko niova finoana ho amin’ny [[Zoroastrisma|fivavahana nohavaozin’i Zaratostra]] ny magy ary ireo zana-poko ao aminy dia mety naka tsikelikely ho azy samirery ny fahefam-pisoronana. Tsy azo fototra tsara anefa ny amin’izany satria tsy misy na soratra na zavatra hafa manaporofo azy. Taorian’ny fiorenan’ny fivavahana [[silamo]] tao Iràna dia nanjavona tsy hita intsony ireo magy.
Andalana faha-12:
 
== Araka ny Baiboly sy ny lovantsofina kristiana ==
Ny [[Magy ao amin'ny Baiboly|magy]] na majy dia ilazan’ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsara araka an’i Matio]] ireo mpivahiny izay notarihin’ny [[kintana]] iray avy any atsinanana ho any Israely mba hitsaoka ny Kristy vao teraka.
[[Sary:Albrecht Altdorfer - The Adoration of the Magi - Städel.jpg|vignette|''Ny fitsaohan'ny Magy,'' nataon'i Albrecht Altdorfer,  anelanelan'ny taona 1530-1535]]